MOFON’AINA ALATSINAINY 02 DESAMBRA 2019

Ny olona izay mandeha amin’ny maizina dia mahita mazava lehibe; Izay mitoetra amin’ny tany aloky ny fahafatesana no iposahan’ny mazava. 2. Hamaroinao ity firenena ity, Ary ampitomboinao ny hafaliany; Mifaly eo anatrehanao izy tahaka ny hafaliana amin’ny fararano, ary tahaka ny fifalin’ny olona, raha mizara babo. 3. Fa ny bao fitondran-entany sy ny tsorakazo nikapohana ny lamosiny; Izay tsorakazon’ny mpampiasa azy, Dia tapahinao tahaka ny tamin’ny andro namelezana ny Midiana. 4. Fa ny kiraron’izay mitrevatreva fandeha eo amin’ny fihorakorahan’ny ady sy ny fitafiana mihosindra dia samy hodoroana, eny, ho kitay hatohoka amin’ny afo izany. 5. Fa Zaza no teraka ho antsika, Zazalahy no omena antsika; Ary ny fanapahana dia eo an-tsorony, ary ny anarany atao hoe Mahagaga, Mpanolo-tsaina*, Andriamanitra Mahery, Rain’ny mandrakizay Andrian’ny fiadanana.[Na: mpanolo-tsaina mahagaga] 6. Ny handrosoan’ny fanapahana sy ny fiadanana dia tsy hanam-pahataperana Eo amin’ny seza fiandrianan’i Davida sy ny fanjakany, mba hampiorenana sy hampitoerana azy amin’ny rariny sy ny hitsiny hatramin’izao ka ho mandrakizay; ny fahasaro-piaron’i Jehovah, Tompon’ny maro, no hahatanteraka izany.
ISAIA 9 : 1-6

JESOA ARAKA NY FAMINANIAN’I ISAIA

 Ambaran’ny mpandinika soratra Masina fa ny bokin’i Isaia dia filazantsaran’ny Testamenta Taloha. Tena miharihary be ao ny filazana momba an’i Jesoa. Eto amin’izao mofonaina izao dia ireto no filazana momba an’i Jesoa

  1. Jesoa dia manazava (and 1)

«  Ny olona izay mandeha amin’ny maizina dia mahita mazava lehibe; Izay mitoetra amin’ny tany aloky ny fahafatesana no iposahan’ny mazava »

Jesoa ao amin’ny Filazantsara dia manohatra ny tenany ho fahazavana, Izy Ilay ambaran’i Paoly fa Zanaky ny Mazava. Izy koa no ambaran’ny hira protestanta ho masoandro. Adidin’izay mazava no manazava ny hafa. Raha tsy eo Jesoa araka izao dia mbola miraparapa ao anaty haizina izao tontolo izao. Ny hoe mazava eto dia manana hevitra fanantenana, ilay mandeha amin’ny maizina dia ho enti-milaza olona ao anaty fahoriana, ny jiosy ao anatin’ny fahababoana no mahita mazava, mahita fanantenana fa ho afaka amin’ny fahababoana izy ireo. Ny mazava koa dia fanantenana fa ny maizina dia ho resin’ny mazava. Tsy maintsy ho resena ny fahoriana mpahazo. Noho ny amin’i Jesoa dia velombelona indray ny fanantenana kristianina.

  1. Jesoa dia manome fifaliana (and 2)

«  Hamaroinao ity firenena ity, Ary ampitomboinao ny hafaliany; Mifaly eo anatrehanao izy tahaka ny hafaliana amin’ny fararano, ary tahaka ny fifalin’ny olona, raha mizara babo »

Ao anatin’ny fahababoana ny jiosy kanefa ambara fa omena fifaliana. Jesoa arak’izao no loharanom-pifaliana amin’ny andro mahaory. Tsy misy afaka manome fifaliana toa izao afa-tsy Jesoa irery ihany. Izany no mahatonga antsika kristianina rehefa mamangy fahoriana na manao toriteny amin’ny fahafatesana dia miivo eo amin’i Jesoa ny votoatin’ny hafatra. Ny fifaliana omen’i Jesoa no manaisotra ny alahelo mahazo. Mahita fahoriana ny mino eto amin’izao tontolo izao. Kanefa noho ny fifaliana omen’ny Tompo azy amin’ny alalan’i Jesoa dia tonga maivana izany. Antony mahatonga ny mino hahajoro ho vavolombelona izany.

  1. Jesoa dia manafaka ( and 3)

« Fa ny bao fitondran-entany sy ny tsorakazo nikapohana ny lamosiny; Izay tsorakazon’ny mpampiasa azy, Dia tapahinao tahaka ny tamin’ny andro namelezana ny Midiana »

Ny hoe manapaka ny tsorakazo nikapohana ny lamosina dia tena mariky ny fanafahana. Mafy ny mahazo ny jiosy, mafy izay ataon’ny mpampahory azy. Izao tenin’i Isaia izao dia manondro an’i Jesoa ho Andriamanitra manafaka azy ireo amin’ny fahoriany. Tanteraka ity faminaniana ity rehefa tena tonga teto amin’izao tontolo izao Jesoa satria maro ny olona nafahany tamin’ny geja maro samihafa. Izany no mahatonga ny soratra Masina niteny hoe raha ny Zanaka (Jesoa) no manafaka dia tena ho afaka tokoa. Miseho eto koa ny maha-Mpamonjy an’i Jesoa.

  1. Jesoa dia manome fiadanana ( and 5,6)

« zaza no teraka ho antsika… Andrian’ny fiadanana »

Ny maha-Andriana dia andraikitra fa tsy anaram-boninahitra hisalorana fotsiny. Eto amin’izao andininy izao dia Adidin’izay andriana ny manao izay hananana fiadanana. Aseho sahady fa Jesoa izay ho teraka dia mpitondra fiadanana. Ary marina izany satria Izy tenany mihitsy no niteny hoe : «  ny fiadanako no OMEKO anareo ». Tsy misy fiadanana raha eo Jesoa. Izy irery no afaka manome ny tena fiadanana marina. Ary ny fiadanany dia tena fiadanana maharitra mandrakizay. Manome fiadanana Jesoa, noho izany samia mandray ny azy ny rehetra.

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.