Mofon’aina – ALATSINAINY 03 APRILY 2017

26 Tamin’ izany Dariosa mpanjaka dia nanoratra ho amin’ ny fokom-pirenena sy ny firenena sy ny samy hafa fiteny rehetra izay monina ambonin’ ny tany rehetra hoe: Hitombo anie ny fiadananareo.27 Manao lalàna aho mba hangovitan’ ny olona sy hatahorany eo anatrehan’ Andriamanitr’ i Daniela eran’ ny fanjakako rehetra; fa Izy no Andriamanitra velona sady maharitra mandrakizay; ny fanjakany haharitra hatramin’ ny farany.28 Izy no mamonjy sy manafaka ary manao famantarana sy fahagagana any an-danitra sy etỳ an-tany, ary Izy no namonjy an’ i Daniela ho afaka tamin’ ny herin’ ny liona.29 Ary izany Daniela izany dia nambinina tamin’ ny nanjakan’ i Dariosa sy tamin’ ny nanjakan’ i Kyrosy Persiana.
DANIELA 6 :26-29

ANDRIAMANITR’I DANIELA NO  ANDRIAMANITRA

« Manao lalàna  aho mba hangovitan’ny  olona  sy  hatahorany  eo anatrehan’ Andriamanitr’i Daniela  eran’ny fanjakako rehetra »(and 27)

 

1-Lalàm-panjakana  manaiky  an’ Andriamanitra

Resy lahatra  ny mpanjaka  fa tsy  mahery  noho ny Andriamanitr’i Daniela  izy. Ny finoana tamin’izany andro izany   dia andriamanitra ny  mpanjaka. Resy ny andriamanitry  ny Persiana. Andriamanitra mahery ny Andriamanitr’i  Daniela. Tsy  misy   andriamanitra  afaka hifanehatra  amin’ny Tompo. Manakatona  ny vavan’ny liona ny Tompo  .Afaka tamin’ny herin’ny liona i Daniela. Nahazo fahafahana  ry Daniela  sy ny Jiosy  tamin’ny andro  nanjakan’i Dariosa sy Kyrosy Persiana. Andriamanitra  mahery ny Tompo ka manafaka ny vahoakany ary manaiky azy ny firenena  matanjaka.

2-Didim-panjakana manambara finoana

Toy izao  ny endriky   ny fanekem-pinoana  amin’ity didy  sy  Soratra masina  ity: Andriamanitra  no atahorana   amim-panajana  eo amin’ny  fanjakan’ny Persiana . Velona sy maharitra  mandrakizay  Izy -Azy  ny fanjakana  rehetra  ary mandrakizay (and 27). Manambara ny fahefany tsy misy fetra izany. Mpamonjy  Andriamanitra ka manafaka  amin’ny heriny mahagaga ny mpanompony (and28). Rehefa  resy lahatra sy mino  an’ Andriamanitra ny mpanjaka dia mivadika  ho didy  famonjena  ny lalàm-panjakana. Ho tanteraka  ny famonjena  antsika Malagasy   rehefa  manaiky  ny rehetra  fa Tompo ny Andriamanintsika.

Fanontaniana:

Ahoana ny anjara toeran’i Jesoa Kristy eo  amin’ny làlantsika ?

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra. Amen !