MOFON’AINA ALATSINAINY 03 DESAMBRA 2018

17 Fa na dia tsy mamontsina aza ny aviavy, Ary tsy misy voany ny voaloboka, Na dia mahadiso fanantenana aza ny oliva, Ary tsy mahavokatra hohanina ny saha, Na dia vonoina aza ny ondry ao amin’ ny vala, Ary tsy misy omby ao am-pahitra,18 Nefa izaho dia mbola hifaly amin’ i Jehovah ihany Sy hiravoravo amin’ Andriamanitry ny famonjena ahy.19 Jehovah Tompo no tanjako, Ary manao ny tongotro ho toy ny an’ ny dieravavy Izy Ka mampandeha ahy any amin’ ny havoanako. Ho an’ ny mpiventy hira. Hampiarahina amin’ ny valiha.
HABAKOKA 3 : 17-19

NY ZAVA-MITRANGA EO AMIN’NY FIAINANA

1- Tsy mahasakana ny fifaliana ao amin’ny mpanompon’Andriamanitra

Nefa izaho dia mbola hifaly amin’i Jehovah ihany ; hiravoravo amin’Andriamanitry ny famonjena ahy (And. 18). Maro ireo zava-mitranga atrehan’nv mpanompon’ Andriamanitra, isan’izany ireo izay heverina fa toy ny faharesena, tsy fahombiazana. Na ny mpanao Salamo aza dia nanambara hoe: saiky solafaka nv diako, raha nahita ny fahombiazan’ny olon-dratsy. (Sal 73, 3 DIEM). Ny Soratra Masina dia efa. nampiomana fa: Any am-parany any dia hisy andro mahory (II Tim 3, I). Ho sahirana isika raha hiferinaina amin’ny toe-javatra izay efa mateti-pitranga. Tsikaritra fa misy olona marary eo ambony fandriana, mbola feno tsiky sy fanantenana, misy olona sahirana mbola mahita fifaliana ary misy olona misedra olana nefa mbola manana fiadanana.satrian fantany fa tsy miady irery izy.fa eo hatrany ny Tompo.

2- Tsy mahasakana ny fanompoana an’ Andriamanitra

« Jehovah Tompo no tanjako. ka mampandeha ahy amin’ny havoanako » (And. 19). Tsy miady irery ny mpanompon’ Andriamanitra fa eo ny Tompo mampahery manolo-tsaina, mitantana sy mivimbina. Na mideza aza ny fiakarana, valim-piakarana fidinana. Voasoratra hoe: fa tsy foana tsy akory ny fikelezanareo aina ao amin’ny TOMPO (1 Kor 15:58).

Fanontaniana :

Nahoana no misy olona sahirana, tsy manan-kialofana. tsy manana tahiry mbola mirantava lavitra mihoatra noho izay heverina fa manana ny ampy?

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra !