MOFON’AINA ALATSINAINY 03 FEBROARY 2020

1 Rehefa entin’i Jehovah Andriamanitrao ianao ka tafiditra any amin’ny tany izay efa hidiranao holovana, ary firenena maro no voaroakany hiala eo anoloanao, dia ny Hetita sy ny Girgasita sy ny Amorita sy ny Kananita sy ny Perizita sy ny Hivita ary ny Jebosita, dia firenena fito izay lehibe sy mahery noho hianao. 2 ary rehefa voatolotr’i Jehovah Andriamanitrao eo anoloanao ireny ka resinao: dia aringano[Heb. ataovy herema.] mihitsy izy; aza manao fanekena aminy, na mamindra fo aminy; 3 ary aza mifanambady anaka aminy: ny zanakao-vavy tsy homenao ho vadin’ny zanani-lahy, ary ny zanani-vavy tsy halainao ho vadin’ny zanakao-lahy. 4 Fa hampiala ny zanakao-lahy amin’ny fanarahana Ahy izy mba hanompoany andriamani-kafa, dia hirehitra aminareo ny fahatezeran’i Jehovah, ka handringana anao vetivety Izy. 5 Fa izao kosa no ataovinareo aminy: ny alitarany horavanao, ary ny tsangam-baton-tsampiny hovakivakinao; ny Aserahany[ Anaran’andriamani-tsi-izy, na ny sariny. ] hokapainao, ary ny sarin-avatra voasokitra hodoranao amin’ny afo. 6 Fa firenena masina ho an’i Jehovah Andriamanitrao ianao; fa ianao efa nofidin’i Jehovah Andriamanitrao ho firenena rakitra soa ho Azy mihoatra noho ny firenena rehetra ambonin’ny tany. 7 Tsy ny hamaroanareo noho ny firenena rehetra anefa no niraiketan’ny fitiavan’i Jehovah taminareo sy nifidianany anareo, fa hianareo dia vitsy noho ny firenena rehetra aza; 8 fa ny nitiavan’i Jehovah anareo sy ny nitandremany ny fianianana izay efa nianianany tamin’ny razanareo no nitondran’i Jehovah anareo tamin’ny tànana mahery sy nanavotany anao tamin’ny trano nahandevozana dia tamin’ny tànan’i Farao, mpanjakan’i Egypta. 9 Koa aoka ho fantatrao fa Jehovah Andriamanitrao ihany no Andriamanitra, dia Andriamanitra mahatoky, Izay mitandrina fanekena sy famindrampo amin’izay tia Azy sy mitandrina ny didiny, hatramin’ny taranaka arivo mandimby, 10 ary mamaly miharihary izay mandrafy Azy amin’ny fandringanana azy; tsy hitaredretra Izy ny amin’izay mandrafy Azy, fa hamaly azy miharihary. 11 Koa tandremo ny lalàna sy ny didy ary ny fitsipika, izay andidiako anao anio, ka araho izy.
DEOTERONOMIA 7 : 1-11

FIRENENA MASINA NY ZANAK’ISIRAELY, FIANGONANA MASINA NY KRISTIANINA

Zavatra fandre matetika ao amin’ny Testamenta Taloha ny hoe masina ny firenena Isiraely. Masina izy noho ny safidy manokana niantefa taminy. Safidin’Andriamanitra izay niantefa taminy. Nosafidian’Andriamanitra manokana mantsy izy mba hanehoana amin’ny firenena rehetra ny maha-Andriamanitra an’Andriamanitra. Masina ny zanak’isiraely

  1. Notanterahin’Andriamanitra taminy ny fanekeny (and 1)

« Rehefa entin’i Jehovah Andriamanitrao hianao ka tafiditra any amin’ny tany izay efa hidiranao holovana, ary firenena maro no voaroakany hiala eo anoloanao »

Nanao fanekena tamin’ny zanak’isiraely Andriamanitra fa raha nanala azy ireo tamin’ny fanandevozana tany Egypta dia hanome azy ireo ny tany kanana ho tany hanompoany an’Andriamanitra, ho tany hamerena azy ireo ho firenena. Eto dia ambara mazava tsara fa ho tafiditra amin’izany tany izany ny Zanak’isiraely, mazava tsara fa handray ny lovany avy amin’Andriamanitra ny zanak’isiraely. Ho tanteraka io faneken’Andriamanitra io eto amin’izao mofonaina izao. Firenena notiavina manokana ny zanak’isiraely ka indro ny fahatanterahan’ny fanekena no porofom-pitiavana manokana. Noho io fitiavan’Andriamanitra manokana io dia indro Izy manatanteraka ny teniny, ny fanekeny.

Tian’Andriamanitra manokana toa izany koa ny kristianina ka indro tanterahiny ny teniny fa manome fiainana mandrakizay ho an’izay mino an’i Jesoa Kristy Izy. Efa voavotra ny fanjakan’Andriamanitra izay fanekena vaovao nampanantenaina ho an’izay rehetra tian’Andriamanitra. Tian’Andriamanitra isika Kristianina ka izao tantaran’ny fahatanterahan’ny teny fikasana izao no toky fa tanterahin’Andriamanitra koa ny fanekena vaovao nataony tamin’ny alalan’i Jesoa.

  1. Nomeny didy hotandremana (and 2-5)

Telo raha fintinina ny didy nomen’Andriamanitra hotandreman’ny Zanak’Isiraely eto

a- Mandringana ny tompontany: lafiny ara-pôlitika sy ara-tafika kokoa ity didy ity. Raha tsy haringana mantsy ireo tompon-tany dia hanana fahasahiranana izy ireo hitoetra eo amin’ny taniny. Tsy hanaiky velively ireo tompontany ny hitoeran’izy ireo eo amin’ny taniny.

b- Tsy mahazo mifanambady amin’ny zanaky ny tompontany: tsy azon’ny zanak’isiraely atao izany satria hanimba ny fahamasinan’ny zanak’isiraely ny fifangaroana amin’izy ireo. Tsy ho vitan’ny zanak’isiraely mantsy ny hitaona an’ireo tompontany amin’ny fanompoana an’Andriamanitra, ary sao ho voataon’ny zanaky ny tompontany amin’ny fanompoana ny andriamaniny ny zanak’isiraely ka hiala amin’Andriamanitra. Toa izany koa isika kristianina, raha mbola azo atao, aleo tsy manambady olona tsy kristianina sao ho afaka amin’ny fitiavan’i Kristy.

d- Mandrava ny fanompoan-tsampy: lafiny ara-pivavaha mihitsy ity farany. Tsy zakan’Andriamanitra ny fanompoana andriamani-tsy-izy, koa irahiny ny vahoakany handrava izany. Fitaovana eo am-pelantanan’ny Tompo ity vahoakany eto handrava ny fahavalony. Toy ny antso atao amin’ny kristianina koa izany ankehitriny handrava ny endriky ny fanompoan-tsampy samihafa fa tsy sanatria mandray anjara amin’ny fanompoan-tsampy toa izay ataon’ny kristianina sasantsasany

Ny fitiavan’Andriamanitra dia mahatonga andraikitra, mahatonga didy vaovao hotandremana, tsy misy fifandraisana manokana amin’Andriamanitra ka tsy misy andraikitra tandrify an’izany. Misy mandrakariva ny adidy ateraky ny fitiavana manokana an’Andriamanitra

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.