MOFON’AINA ALATSINAINY 02 SEPTAMBRA 2019

18 Ary soraty ho amin’ny anjelin’ny fiangonana any Tyatira: Izao no lazain’ny Zanak’Andriamanitra, Izay manana maso toy ny lelafo, ary ny tongony tahaka ny varahina manganohano: 19 Fantatro ny asanao sy ny fitiavanao sy ny finoanao sy ny fanompoanao ary ny faharetanao, ary ny asanao farany dia be noho ny voalohany. 20 Kanefa manan-teny aminao Aho, satria hianao mandefitra amin’ilay vehivavy Jezebela, izay milaza ny tenany ho mpaminanivavy ka mampianatra sady manoloky ny mpanompko hijangajanga sy hihinana hena aterina tamin’ny sampy. 21 Ary nomeko andro hibebahany izy, nefa tsy mety mibebaka amin’ny fijangajangany izy. 22 Indro, hampandamahiko eo am-pandriana izy, ary izay mijangajanga aminy dia hataoko ao amin’ny fahoriana lehibe, raha tsy hibebaka amin’ny asan-dravehivavy izy. 23 Ary hovonoiko amin’ny fahafatesana ny zanany; ary ny fiangonana rehetra hahalala fa Izaho no mandinika ny voa sy ny fo; ary homeko araka ny asanareo avy hianareo rehetra. 24 Fa aminareo izay sisa any Tyatira, dia izay tsy manana izany fampianarana izany sady tsy mba mahalala ny ataon’ireo hoe ‘sain-dalin’i Satana’, dia izao no lazaiko: tsy hovesarako entana hafa hianareo; 25 kanefa izay anananareo dia tano mafy mandra-pihaviko. 26 Ary izay maharesy ka mitandrina ny asako hatramin’ny farany dia homeko fahefana amin’ny jentilisa; 27 ary hiandry azy amin’ny tehim-by izy ka hanorotoro azy toy ny fanorotoro vilany tany, dia araka izay efa noraisiko tamin’ny Raiko. 28 Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino izay lazain’ny Fanahy amin’ny fiangonana
APOKALYPSY 2 : 18-29

JESOA KRISTY : ANDRIAMANITRA MASINA

Ny hafatra ho an’ny fiangonana 7 tany Azia dia voasoratra fa hafatra avy amin’ny Fanahy Masina. Hafatry ny Tompo no tian-kambara amin’izany. Hafatry ny Tompo ho an’ny kristianina izay niharan’ny fanenjehana ihany koa anefa noho ny maha-kristianina azy. Hafatra izay maneho ihany koa ny maha-izy azy an’Andriamanitra. Andriamanitra masina Jesoa ka

  1. Mahafantatra ny zavatra rehetra (and 18,19)

« Izao no lazain’ny Zanak’Andriamanitra, Izay manana maso toy ny lelafo, ary ny tongony tahaka ny varahina manganohano: 19 Fantatro ny asanao sy ny fitiavanao sy ny finoanao sy ny fanompoanao ary ny faharetanao »

Ambara eto fa ny mason’ny Tompo dia toy ny lelafo izany hoe AFAKA mahita izay miafina indrindra. Ambarany eto koa fa fantany avokoa ny momba ny mpanompony: asa – fitiavana manao ilay asa – finoana – fanompoana – faharetana – ezaka, sns… Asehon’izao tenin’Andriamanitra izao fa tena tsy misy miafina ny Tompo na inona na inona, indrindra izay mahakasika manokana ny mpanompony. Fantatry ny Tompo avokoa ny zavatra rehetra.

  1. Mikapoka ny mpanao ratsy (and 20-23)

« Indro, hampandamahiko eo am-pandriana izy, ary izay mijangajanga aminy dia hataoko ao amin’ny fahoriana lehibe, raha tsy hibebaka amin’ny asan-dravehivavy izy. 23 Ary hovonoiko amin’ny fahafatesana ny zanany »

Eo amin’ny and 22 dia ambaran’ny tenin’Andriamanitra fa nokapoin’ny Tompo ilay vehivavy janga teo amin’ny fiangonana. Kapohin’Andriamanitra miaraka aminy koa izay mijangajanga aminy. Masina ny Tompo ka tsy mahazaka mahita fahotana eo amin’ny fiangonany. Ny fahamasinan’Andriamanitra dia mahatonga sazy ho an’ny mpanota rehetra. Tsy avelan’Andriamanitra hopotehin’ny fahotana ny fiangonany. Tsy avelany hahazo laka eo amin’ny fiangonany koa ny mpanota sy ny mampanota ny olona. Handeha mba ho hendry mba tsy hahazo kapoka amin’ny Tompo.

  1. Manome fahefana amin’ny jentilisa (and 26)

« Ary izay maharesy ka mitandrina ny asako hatramin’ny farany dia homeko fahefana amin’ny jentilisa »

Izay mahazona ny finoany dia ambaran’ny Soratra Masina eto fa homen’Andriamanitra fahefana amin’ny jentilisa. Fahefana ho enti-manapaka ny Jentilisa. Tsy tapahin’ny jentilisa fa manapaka ny jentilisa. Tonga olona manana ny maha-izy azy eto amin’izao tontolo izao izay mahazona ny finoany eo anatrehan’izay mety ho fahasahiranana samihafa. Ny kristianina mahazona ny finoana ary mandresy arak’izany no hitondra izao tontolo izao. Tsy ny jentilisa fa ny kristianina. Nisy taonjato maro teto amin’izao tontolo izao dia ny foto-kevitra kristianina no nitondrana izao tontolo izao, fa noho ny fihemoran’ny fivavahana sy ny finoana kristianina dia lasa ny foto-kevitra jentilisa no itondrana izao tontolo izao. Fandinika ny zavatra toa izany.

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.