Mofon’aina – ALATSINAINY 04 JIONA 2018

11 Fa ny anjely aza, izay mihoatra amin’ ny tanjaka sy ny hery, tsy mitondra fiampangana hitenenan-dratsy azy eo anatrehan’ ny Tompo.12 Fa ireo kosa izay miteny ratsy ny zavatra tsy fantany (tahaka ny biby tsy manan-tsaina, fa zava-manan-aina fotsiny ihany, izay teraka ho fisambotra sy ho famono) dia haringana tokoa amin’ ny fahalotoany,13 ary hiharan’ ny ratsy ho valin’ ny faharatsiany izy. Ataony ho zava-mahafinaritra ny velona vetivety amin’ ny fy, ka be pentimpentina sy tsiny izy sady velona amin’ ny fy eo amin’ ny fanasam-pifankatiavany, raha miara-mihinana aminareo,14 manana maso feno fijangajangana, izay tsy mety mitsahatra amin’ ny fahotana: dia mamitaka ny tsy miorina tsara izy; ary mampahazatra ny fony amin’ ny hafatratry ny fitiavany harena, dia zanaky ny fanozonana izy;15 efa niala tamin’ ny lalana mahitsy izy ka nivily nanaraka ny lalan’ i Balama, zanak’ i Beora, izay tia ny tambin’ ny tsi-fahamarinana,16 nefa voanatra izy noho ny fahotany: ny boriky moana dia nanao feon’ olona ka nisakana ny hadalan’ ilay mpaminany.
2 PETERA 2:11-16

FANTARO NY MPAMINANY SANDOKA

Nisy mpaminany sandoka teo amin’ny vahoaka israely? Nisy hatrany izany tamin ny andron’i Jesoa tety an-tany, sady mbola misy mandraka ankehitriny. Ahoana no hamantarana azy ireny? Inona no tokony hotandremana manoloana izany?

1-Feno fanevatevana (and. 11)

« Ireo mpampianatra sandoka ireo dia olona sahy zavatra sy mitompo teny fantatra sady tsy matahotra hanevaleva ireo atao hoe voninahitra » (DIEM). Rehefa ny olona no manaratsy sy manevateva ny mpitondra fiangonana sy ny fivavahana misy anao dia aoka hianao handinika sy hieritreritra « Manevateva zavatra tsy fantany…  » (and. 12). Maro mantsy amin’izao fotoana izao no milaza azy ho mpitory filazantsara, ka maneho fahasahiana manaratsy ny finoan’ny hafa. Misy amin’izy ireny aza sahy milaza tsotra izao fa tsy Andriamanitra Jesoa Kristy.

2-Ratsy fitondran-tena

Balama dia iray amin’ireo mpaminany izay tsy nanaraka ny fanànarana nomen’ny Tompo azy noho ny fitiavam-bola. Toy izany koa ireo mpaminany sandoka, izay manararaotra ny fahantran’ny olona ka mitaona azy handà ny làlan’ny hazo fijalian’i Kristy « Ny haka vadin’olona ary ny tsy hitsaha-manota amin ‘izany no imasoany, ny mpino tsy miorina tsara angoleny; ary liana amin’ny fitiavan-karena ny fony » (and. I4-DIEM). Ny tena mpitory filazantsara dia hamarinin’ny fitondrantenany. Ny fahononan-tena hifikitra amin’ny fampianaran’ny Tenin’Andriamanitra no manafaka antsika amin’izany.

Fanontaniana:

Nahoana no mahataona olona ireo mpaminany sandoka?

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra. Amen !