MOFON’AINA ALATSINAINY 04 MAY 2020

1 Ary rehefa afaka izany, dia handatsaka ny Fanahiko amin’ny nofo rehetra Aho; Dia haminany ny zanakalahinareo sy ny zanakavavinareo, ny lahiantitrareo hanonofy, ary ny zatovonareo hahita fahitana; 2. Ary na dia ny mpanompolahy sy ny mpanompovavy aza dia handatsahako ny Fanahiko amin’izany andro izany. 3. Ary hanisy fahagagana eny amin’ny lanitra sy ety amin’ny tany Aho, dia rà sy afo ary setroka mitankosina. 4. Ny masoandro hampodina ho aizina, ary ny volana ho rà, alohan’ny hahatongavan’ny andron’i Jehovah, izay sady lehibe no mahatsiravina. 5. Ary na zovy na zovy no hiantso ny anaran’i Jehovah dia ho afa-mandositra; Fa ao an-tendrombohitra Ziona sy any Jerosalema dia hisy sisa afaka, araka izay efa voalazan’i Jehovah, ary izay antsoin’i Jehovah dia ho isan’izay afa-mandositra
JOELA 3 : 1-5

NY FANOMEZAN’ANDRIAMANITRA NY FANAHY MASINA

Efa hatrany amin’ny tontolon’ny Testamenta taloha no efa fantatra fa Andriamanitra no manome ny Fanahy Masina. Omen’Andriamanitra ny olona izany mba ho enti-

  1. Mampitovy ny olona rehetra (and 1)

« Ary rehefa afaka izany, dia handatsaka ny Fanahiko amin’ny nofo rehetra Aho »

a- Mazava tsara fa ny nofo rehetra no hahazo ny Fanahy Masina izay omen’Andriamanitra. Midika izany fa Andriamanitra tsy mba manavakavaka ny Tompo. Tena mitovy ny fomba fitondran’Andriamanitra ny olona rehetra. Ny hoe nofo rehetra dia ho enti-milaza fa afaka misitraka izany avokoa na lehilahy na vehivavy na zaza na tanora na lehibe.

b- Ny mpanompo (lahy/vavy) koa dia ahazo Azy. Tsy misy kilasy sosialy eo amin’ny Tompo. Ny fiaraha-monina no misy sokajy sosialy izay nateraky ny rafi-piaraha-monina. Eo anatrehan’Andriamanitra kosa dia mitovy ny olona rehetra ka samy omeny ny Fanahiny.

  1. Mandrisika hanao ny asan’Andriamanitra (and 1)

« Dia haminany ny zanakalahinareo sy ny zanakavavinareo »

Ny hoe maminany eto dia mandray roa

a-fitondrana ny hafatr’Andriamanitra amin’ny vahoakan’Andriamanitra.

Mazava arak’izany fa tonga mpanompon’Andriamanitra izay omena ny Fanahin’Andriamanitra. Nomen’Andriamanitra handrisika hiasa ho Azy izay mahazo Fanahy Masina.Koa izay manana ny Fanahy Masina dia tsy mba avelany hipetrapetraka, entaniny hiasa.

b-fisoloana tena an’Andriamanitra eo amin’ny vahoakan’Andriamanitra.

Misolo vava an’Andriamanitra ny mpaminany. Ampiasain’Andriamanitra ny vavany, ampiasain’Andriamanitra hilaza sy hanambara ny sitrapony. Tonga fehezin’Andriamanitra hatramin’ny fampiasan’ny olona ny tenany ny olona mahazo ny Fanahy Masina

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.