MOFON’AINA ALATSINAINY 04 NOVAMBRA 2019

27 Nahoana no miteny ianao, ry Jakoba ô, ary milaza ianao, ry Isiraely ô, hoe: Miafina tsy hitan’i Jehovah ny lalako, ary mihelina tsy hitan’Andriamanitro ny rariny tokony ho ahy? 28 Tsy fantatrao va? Tsy efa renao va fa Andriamanitra mandrakizay Jehovah, izay namorona ny faran’ny tany? Tsy mba mety ho reraka na sasatra Izy; Tsy takatry ny saina ny fahalalany. 29 Mampahatanjaka ny reraka Izy, ary izay kely hery dia omeny hery be. 30 Na dia ny tanora fanahy aza dia ho reraka sy ho sasatra, ary na dia ny zatovo aza dia mety ho tafintohina mafy; 31 Fa izay miandry an’i Jehovah dia mandroso hery kosa; Elatra no hiakarany tahaka ny voromahery; Hihazakazaka izy, nefa tsy ho sasatra; Handeha izy, nefa tsy ho reraka.
ISAIA 40 : 27-31

JEHOVAH MANOME HERY

Ny Isaia faharoa (Isa 40 – 55) dia tsy tokony hoadinoina fa fampaherezana ny Jiosy izay babo tany Babylona. Nampaherezina izy ireo fa nisy tamin’izy ireo namoy fo noho ny fahababoana. Nisy kivy sy reraka noho ny fiheverany fa resy Andriamanitra, resin’ny andriamanitry ny babyloniana ka izany no anton’ny fahababoana. Nisy indray aza, raha izao mofonaina izao no dinihina dia nihevitra fa tsy mahita ny fahorian’ny Jiosy any am-pahababoana Andriamanitra. Teo anatrehan’izany fahakiviana izany dia mampianatra Isaia fa manome hery ny Tompo ka Mampahatsiaro ny maha-izy azy an’Andriamanitra. Ireo andinina dimy voalahatra ho mofonaina ireo dia tsy tokony hoadinoina fa maneho indrindra indrindra ny maha-izy azy an’Andriamanitra avokoa.

  1. Andriamanitra mpahary ny Tompo (and 28)

« Tsy fantatrao va? Tsy efa renao va fa Andriamanitra mandrakizay Jehovah, izay namorona ny faran’ny tany? »

Anisan’ny Teôlôjia matanjaka be teo amin’ireo mpaminany naminany tany am-pahababoana ny teôlôjian’ny fahariana. Potika sy ravan’ny fahababoana ny maha-izy azy ny Jiosy ka novoizin’ireo mpaminany tamin’izany fa afaka mahary fiainam-baovao ho azy ireo Andriamanitra. Mety ho potiky ny zavatra maro samihafa eto amin’izao tontolo izao koa ny fiainantsika kristianina. Tsy tokony hanadino isika kristianina fa afaka mahary fiainam-baovao ho antsika Andriamanitra amin’ny alalan’i Jesoa Kristy: « Kristy, Izay herin’Andriamanitra »( 1 Kor 1 : 24)

  1. Andriamanitra tsy takatry ny saina ny Tompo (and 28)

« Tsy mba mety ho reraka na sasatra Izy; Tsy takatry ny saina ny fahalalany »

Rehefa mandinika ny zavatra rehetra ny olombelona dia afaka mahafantatra zavatra maro izy. Afaka mifehy ireo fahalalana maro momba izao tontolo izao izy. Efa hita fa mifehy tsikelikely na ny ety an-tany, na ireo any ambony tsy taka-maso ny olombelona amin’ny alalan’ny siansa. Na dia mandroso be aza ny olombelona dia asehon’i Isaia ihany eto ny fetrany. Tsy ho vitany na oviana na oviana ny hifehy tanteraka ny fahalalana momba an’Andriamanitra. Ny teôlôjia raha ny marina dia ezaka ataon’ny olombelona mamantatra izay nanambaran’Andriamanitra ny tenany ao amin’ny Soratra Masina. Arak’izany dia ampahany amin’ny fahalalana izay nanambaran’Andriamanitra momba ny tenany no hain’ny olona ao amin’ny teôlôjia. Tsy izy rehetra akory fa ampahany ihany. Raha miseho ho mahalala an’Andriamanitra 100% isika dia tsy Andriamanitra intsony koa Izy.

  1. Andriamanitra mampahery ny Tompo (and 29-31)

« Mampahatanjaka ny reraka Izy, ary izay kely hery dia omeny hery be… Fa izay miandry an’i Jehovah dia mandroso hery kosa »

Amin’ny maha-olombelona antsika dia mety reraka isika, mety lany hery no tiana ambara amin’izany. Soa fa manana Andriamanitra afaka manome hery, manavao ny herintsika isika. Izy rahateo no loharano hanovozan-kery ho enti-mamakivaky izao fiainana izao. Tsarovy arak’izany fa raha lavitra loharano isika dia ho sarotra amintsika ny hanovo hery ho enti-miatrika izao fiainana izao. Meteza hanovo hery mandrakariva ao amin’ny Tompo amin’ny alalan’ny Soratra Masina, vavaka, fanompoam-pivavahana samihafa.

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.