Mofon’aina – ALATSINAINY 04 SEPTAMBRA 2017

16 Fa isaorana anie Andriamanitra, Izay manome fahazotoana ho ao am-pon’ i Titosy ho anareo mitovy amin’ ny ahy.17 Fa nanaiky ny fangatahanay ihany izy, nefa nazoto rahateo, ka sitrapony ihany no nandehanany nankany aminareo.18 Ary ilay rahalahy izay nalaza amin’ ny filazantsara any amin’ ny fiangonana rehetra no nirahinay hiaraka aminy;19 ary tsy izany ihany, fa efa notendren’ ny fiangonana koa izy ho namanay hiara-mandeha aminay hitondra izao fahasoavana izao, izay angoninay ho voninahitry ny Tompo sy ho vavolombelon’ ny fahazotoanay.20 Ary mitandrina izahay mba tsy hisy hanome tsiny anay amin’ izao harena be angoninay izao;21 fa miomana hanao izay mahamendrika izahay, tsy eo imason’ ny Tompo ihany, fa eny imason’ ny olona koa.22 Ary nirahinay niaraka tamin’ ireo ilay rahalahinay izay efa hitanay mazoto matetika amin’ ny zavatra maro; fa ankehitriny mazoto kokoa izy noho ny haben’ ny fahatokiany anareo.23 Raha ny amin’ i Titosy, dia namako izy sady mpiara-miasa amiko ho anareo; ary ireo rahalahinay, dia iraky ny fiangonana izy sady voninahitr’ i Kristy.24 Koa amin’ izany asehoy aminy eo imason’ ny fiangonana ny famantarana mahamarina ny fitiavanareo sy ny reharehanay ny aminareo.
II KORINTIANA 8 :16-24

Tra-pahasahiranana mafy ny Fiangonana tany Jerosalema teto, satria nisy mosary mafy tany tamin’izany fotoana izany, ka ireo Fiangonana izay vao niorina taty aoriana indray no nanangona fanampiana hamonjena azy ireo. Anisan’ny nanangona izany i Paoly Apostoly sy i Titosy zanany am-panahy. Nataon’izy ireo tao anatin’ny fahamarinana sy ny mangarahara izany mba hahatonga azy ireo ho :

1-Vavolombelona eo imason’ny Tompo (and 21 b)

Ny tena nahamaika an’i Paoly Apostoly eto dia ny hoe : marina izy teo anatrehan’ny Tompo, tsy nisy nipika na very na na voahodikodina na sanatria laniny  ny vola nangonin’ny mpivavaka tao Korinto, sy ny avy any amin’ny Fiangonana rahavavy hafa, ary fantany rahateo fa i Jesoa izay arahiny dia mahita ny zavatra rehetra, na dia izay heverina ho miafina indrindra aza.Firifiry tokoa moa ny vola any amin’ireo sehatra maro samy hafa , eny na dia ny aty amin’ny finoana aza no re, fa nivily làlana ?

Fa tsy ampy ny vavolombelona eo anatrehan’ny Tompo, fa mila koa isika sahy :

2- Vavolombelona eo imason’ny olona (and 21 d )

Fandre matetika aty amin’ny sehatry ny Fiangonana ny tomponandraikitra sahy milaza fa : « Rehefa mandry ny saiko eo antrehan’Andriamanitra dia ampy izay, ka na miahiahy aza ny olona rehetra dia tsy raharahako!! ». Tsy mba izany no nataon’I Paoly eto, fa tena nataony izay hampahadio ny eritreritry ny mpanome, ka notendreny I Titosy, ary mbola nisy olona hafa koa aza nanampy azy ireo, satria harena be no angonina, ka hitan’ny olona rehetra fa marina sy vavolombelona teo anatrehan’ny olona koa izy ireo.

Fampieritreretana :

Anisan’ny tezitra ve ianao rehefa hoe hamarinina ny vola sy ny fananan’ny Fiangonana?

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra. Amen !