Mofon’aina – Alatsinainy 05 desambra 2016

16 Anio no andidian’ i Jehovah Andriamanitrao anao hanaraka ireo didy sy fitsipika ireo; koa tandremo sy araho amin’ ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra ireo.17 Efa nampiteny an’ i Jehovah hianao andro-any fa ho Andriamanitrao Izy, ka handeha amin’ ny làlany sy hitandrina ny lalàny sy ny didiny ary ny fitsipiny ianao ary hihaino ny feony.18 Ary Jehovah kosa efa nampiteny anao andro-any fa firenena rakitra soa ho Azy ianao, araka izay nolazainy taminao, mba hitandremanao ny didiny rehetra,19 sy hanandratany anao ho ambonin’ ny firenena rehetra izay nataony, ho fiderana sy ho anarana ary ho voninahitra ary mba ho firenena masina ho an’ i Jehovah Andriamanitrao ianao, araka izay nolazainy.
DEOTERONOMIA 26 :16-19

VOAFIDY HO VAHOAKAN’ ANDRIAMANITRA NY FIANGONANA

Andriamanitra dia nifidy ny Israely ho vahoakany ka nanao fanekena taminy . Ny fiangonana no Israely vaovao izay iantefan’izany safidiny izany . Izay andrasana amin’ny vahoakany kosa dia:

1-Hankato ny didiny (and 16,17b, 18d)

Ny hoe: « anio » dia sady milaza ny fotoana nitenenan’i Mosesy no milaza ny fotoana rehetra hamakiana izao fanekena izao. Ny fifidianan’ Andriamanitra ny olona dia mitaky fankatoavana Azy amin’ny fo manontolo, fa izany no antoky ny fahavelomana sy ny soa rehetra ho an’ny vahoaka voafidiny (Deo 6 :13). Ankatoavy ny Tenin’ Andriamanitra sy ny sitrapony izay nambara tamintsika satria vahoaka voafidy isika.

2-Ho fankalazana sy fanomezam-boninahitra Azy (and 18)

Etsy ankilany kosa, manao fanekena amin’ny vahoaka voafidiny Andriamanitra, fa hanandratra azy ho ambonin’ny firenena rehetra. Ho firenena rakitra soa ho Azy ny olomboafidiny, izany hoe: ho fananany sarobidy indrindra ka hanehoany ny fitahiany sy ny fahasoavany sady hohamasininy . Isehoan’ny voninahiny sy ny fankalazana Azy ny fiangonana satria ny fiangonana no nofidiny ,dia araka ny voasoratra hoe: « …fa ho Andriamanitrareo Izy » (and17a) ary koa « … firenena rakitra soa ho Azy ianao » (and18a).

Fanontaniana:

Tsapanao ve ny lanjan’ny maha- olomboafidin’ Andriamanitra anao?

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.Amen !