MOFON’AINA ALATSINAINY 06 APRILY 2020

1.Ary hitako fa, indro, nisy famantarana iray koa tany an-danitra, sady lehibe no mahagaga, dia anjely fito izay nanana ny loza fito farany, satria izany no enti-mahatanteraka ny fahatezeran’Andriamanitra. 2 Ary nahita aho fa, indro, toa ranomasina fitaratra miharo afo, ary izay naharesy ka afaka tamin’ny bibidia sy ny sariny ary ny isan’ny anarany dia nitsangana teo amoron’ny ranomasina fitaratra nitana ny lokangan’Andriamanitra. 3 Ary mihira ny fihiran’i Mosesy, mpanompon’Andriamanitra, sy ny fihiran’ny Zanak’ondry izy nanao hoe: Lehibe sy mahatalanjona ny asanao, Tompo ô, Andriamanitra Tsitoha, Mahitsy sy marina ny làlanao, Ry Mpanjaka mandrakizay. 4 Iza no tsy hatahotra? Ary iza no tsy hankalaza ny anaranao, Tompo ô? Fa Hianao ihany no masina, ary ny firenena rehetra ho avy hiankohoka eo anatrehanao; Fa efa naharihary ny fitsarana marina nataonao.
APOKALYPSY 15 : 1-4

MPANDRESY ISIKA NOHO NY AMIN’I JESOA KRISTY

Misy mpandinika milaza fa ny bokin’ny Apokalypsy dia bokin’ny fanantenana. Bokin’ny fanantenana izy satria mampanantena fandresena ny fahavalon’ny kristianina. Tsy tokony hohadinoina mantsy fa tamin’ny taonjato voalohany dia tena niaina tao anaty fahoriana ny kristianina noho ny zavatra nataon’ny Amperora Romanina iray. Izay nampahory sy namono mihitsy ny kristianina. Teo anatrehan’izany fampahoriana izany dia nomena an’i Jaona, izay Apostoly velona farany tamin’izany fotoana izany ny fahitana maro samihafa tao an-danitra, mampiseho an’i Jesoa Mpandresy sy mampandresy ny mino. Io zavatra naseho an’i Jaona izay nasaina nosoratany ihany koa io no noenti-nampahery ny kristianina tamin’izany fotoana izany tsy hiala tamin’ny Tompo sy tsy hanary ny finoana Kristianina. Nisy ihany mantsy noho ny tahotra ny ho faty dia niala tamin’ny finoana. Maro kosa anefa ireo izay nijanona ho kristianina. Ireto no zavatra naseho ho hitan’i Jaona tao an-danitra

  1. Olona naresy sy afaka tamin’ny bibidia (and 2)

« Ary nahita aho fa, indro, toa ranomasina fitaratra miharo afo, ary izay naharesy ka afaka tamin’ny bibidia sy ny sariny ary ny isan’ny anarany dia nitsangana teo amoron’ny ranomasina fitaratra nitana ny lokangan’Andriamanitra »

Toeram-pandresena ny lanitra na ny fanjakan’Andriamanitra. Tsy misy resy afaka miditra ao na iza na iza, na avy aiza na avy aiza. Raha mamaky ny Apok 12 aza isika dia mazava kokoa ny voasoratra ao. Rehefa niady Mikaela sy ny Anjeliny dia naharesy an’i satana sy ny anjeliny. Rehefa resy ireo dia nampidinina tety an-tany. Nandresy Mikaela sy ny Anjeliny noho ny amin’i Jesoa sy ny ràny ary ny tenin’Andriamanitra (Soratra Masina) izay manambara Azy. « Ary izy ireo naharesy azy noho ny amin’ny ran’ny Zanak’ondry sy ny teny filazana Azy, ary tsy nankamamy ny ainy intsony izy, na dia ho faty aza »( Apok 12. 11). Izao Soratra Masina izao dia manambara mazava amintsika fa azo atao tsara ny mandresy an’i satana sy ny forongony. Mety ho tena mahery sy betsaka tokoa ireo, fa na ahoana na ahoana heriny, na firy na firy isany, rehefa miaraka amin’i Jesoa dia mora ny mandresy azy.

Ny areti-mandringana koa dia toa endrik’i satana sy ny miaramilany, izay tena mampihorohoro ny olona rehetra eto amin’izao tontolo izao. Hery tena mandringana tokoa izy raha tsy mitandrina. Ny famakiantsika izao tenin’Andriamanitra izao dia mampanantena antsika fa azontsika atao tsara ny mandresy azy io amin’ny fiombonantsika amin’i Jesoa. Rehefa tafaray marina amin’i Jesoa isika dia afaka mandresy azy na dia mahery tokoa aza izy. Aoka tsy ho mora kiviana isika kristianina manoloana ity areti-mandringana ity, aoka hatoky fa sady hain’i Jesoa ny miaro antsika, hainy koa ny manasitrana antsika amin’izany areti-mandringana izany.

  1. Izay maharesy dia midera an’Andriamanitra sy Jesoa Kristy (and 3,4)

Toeram-pideran’ny mpandresy ny lanitra. Omena toky ireo kristianina miaritra fahoriana noho ny fampahoriana mahazo azy noho ny fanenjehana fa raha maharesy izy ireo ka hiakatra any an-danitra dia hidera an’Andriamanitra izy ireo. Raha ny marina dia fiomanana ho amin’ny fiderana an’Andriamanitra ity izao tontolo izao ity. Ary antom-pisian’ny fiangonana izany. Fanomanana ny olona handresy eto amin’izao tontolo izao mba ho afaka handray anjara amin’ny fiderana an’Andriamanitra rahatrizay. Noho izany dia tsy misy zavatra hafa hatao rahatrizay ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra ankoatry ny fiderana an’Andriamanitra. Rehefa tena dinihina anie izany, dia boky manomana ny olona amin’ny fiderana an’Andriamanitra ny Apokalypsy. Tsy boky fampitahorana arak’izao izy, fa tena bokin’ny fanantenana sy fampianarana ny fiderana an’Andriamanitra. Efa fantatra ary izao ny tena votoatin’ny boky, koa aoka izany boky izany mba ho isan’izay hovakiantsika satria tena mamelombelona ny fanantenam-pandresena miaraka amin’i Jesoa Kristy.

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.