Mofon’aina – TALATA 06 FEBROARY 2018

4 Mihainoa Ahy, ry vahoakako, Ary atongilano amiko ny sofinareo, ry oloko; Fa hisy lalàna hivoaka avy Amiko, Ary ny fitsipiko dia hampitoeriko ho fanazavana ny firenena.5 Akaiky ny fahamarinako, efa nivoaka ny famonjeko, ary ny sandriko no hitsara ny firenena; Izaho no hantenain’ ny nosy, ary ny sandriko no andrasany.6 Andrandrao ho amin’ ny lanitra ny masonareo, Ary jereo ny tany ambany; Fa ny lanitra ho levona tahaka ny setroka, Ary ny tany ho tahaka ny lamba mangarahara, Ary ny mponina ao dia ho faty tampoka; Fa ny famonjeko kosa haharitra mandrakizay, Ary ny fahamarinako tsy mba ho rava.7 Mihainoa ahy, ianareo izay mahalala ny fahamarinana, dia ianao, ry firenena izay manana ny lalàko ao am-ponao; aza matahotra ny latsa ataon’ ny zanak’ olombelona, na manahy noho ny faharatsiany.8 Fa ny kalalao hihinana azy tahaka ny fihinan-damba, Ary ny lolofotsy hihinana azy tahaka ny fihinam-bolon’ ondry; Fa ny fahamarinako haharitra mandrakizay, Ary ny famonjeko hihatra amin’ ny taranaka fara mandimby.
ISAIA 51 :4-8

NY LALAN’ ANDRIAMANITRA

Ny lalàna ao  amin’ny Testamenta taloha  dia enti-milaza didy aman-dalàna, fa ny sitrapon’  Andriamanitra. Raha   ny  momba   ny lalàna   voasoratra  aza dia enti-milaza  ny  Soratra Masina  amin’ny ankapobeny  izany  , ka niteraka  ny hoe:lalàn’i Mosesy , izay  ny  fizarana  voalohany  ao  amin’ny Testamenta  taloha. Koa andeha  hotsorina  hoe: ny lalàn’ Andriamanitra  dia ny Tenin’ Andriamanitra  sy ny sitrapony.

Natao hamonjena  ny olony  ny lalàna. Raha  ny  fihevitry   ny olona ny lalàna  amin’ny ankapobeny  dia natao  hangejana sy  hamoretana  fotsiny  , na  dia mety  hisy   aza izay   mihevitra  azy  ho  ambonin’ny lalàna . Raha  misy  olona  voaheloka  , na tena  nanao ilay heloka  voalaza  izy na tsia , satria  mety  hisy  olona  voaendrikendrika  fotsiny, rehefa   avoakan’ny mpanao  lalàny  ny valim-pitsarana dia voaheloka  ilay  olona .

Hafa   noho izany  fiheverana  izany   no aroson’ny Tompo eto, satria  natao  hamonjena  ny olona  indrindra  ny lalàna. Izao  no voalaza :  « Hisy  lalàna hivoaka  avy Amiko  ary ny fitsipiko  dia hampitoeriko  ho fanazavana  ny firenena , akaiky  ny fahamarinako , efa nivoaka  ny  famonjeko ». Tsy  mpamaly ny olona  araka ny nataony  ihany Andriamanitra , fa Tompo  manomana  famonjena  ho an’ny olony  Izy , amin’ny alalan’ny lalàna  hitondrany  ny vahoaka .

 Mavesa-danja ary mitondra fiainana  ny Tenin’ Andriamanitra, na ny lalàna  fa tsy mangeja. Mpitaiza  antsika  ho amin’i Kristy  aza ny lalàna (Gal 3 :24). Koa ampitoero  ao am-pontsika  i Jesoa Kristy, satria  Izy  no faran’ny lalàna (Rom 10 :4). Aza  atao  fahazarana  fotsiny  ny fivavahana Aminy  fa fiainana  ho anao izany.

Fanontaniana:

Ahoana ny fahazoanao  ilay hoe: isika  tsy eo  ambany  lalàna  fa eo ambany fahasoavana ?

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra. Amen !