MOFON’AINA ALATSINAINY 06 JANOARY 2020

11 Izaho dia Izaho ihany no Jehovah Ary tsy misy Mpamonjy afa-tsy Izaho. 12 Izaho efa nilaza sy namonjy ary nanambara, ary tsy nisy hafa tao aminareo; Dia ianareo no vavolombeloko, hoy Jehovah, ary Izaho no Andriamanitra. 13 Eny, hatramin’izany andro izany* Izaho no Izy, Ary tsy misy maharombaka amin’ny tanako; Miasa Aho, ka iza moa no mahasakana izany?
ISAIA 43 : 11-13

ANDRIAMANITRA MIASA NY TOMPO

Fitantarana an’Andriamanitra miasa no fanombohan’ny Baiboly. Andriamanitra miasa no hanehoan’Andriamanitra voalohany ny tenany ao amin’ny Soratra Masina. Miasa mandrakariva ny Tompo, ary tsy misy fitsaharany izany asan’Andriamanitra izany. Eto amin’izao mofonaina izao dia mbola manambara ny tenany ho Andriamanitra miasa ny Tompo. Hoy mantsy ny Tompo hoe : « miasa Aho, ka iza moa no mahasakana izany ? », inona tokoa moa tena hevitr’izany tenin’ny Tompo izany.

  1. Miasa mandrakariva ny Tompo

Iray amin’izay hahafantarana an’Andriamanitra hoy isika dia Izy Andriamanitra miasa. Azon’ny fakam-panahy mantsy ny Isiraely fa tsy niasa Andriamanitra, koa satria tsy niasa Andriamanitra, ary nalemy Andriamanitra dia resin’ny andriamanitry ny Babyloniana ny Isiraely ka lasa babo. Eo anatrehan’izany fomba fisainana diso izany no mamerina amin’ny Isiraely indray ny Tompo fa Andriamanitra miasa Izy fa tsy araka izay heverin’ny Isiraely azy velively. Noho io asan’Andriamanitra io dia ambarany mazava tsara fa tsy misy maharombaka izay ao Aminy, izay eo am-pelantanany. Raha tsy noho ny asan’Andriamanitra miaro tokoa dia viraviraim-pahavalo ny vahoakany. Eto na dia babo aza ny isiraely dia mbola manana fahefana amin’ny mpababo azy Andriamanitra, ka tsy izay rehetra tian’ny mpababo atao no ataony amin’ny Isiraely, izay eken’Andriamanitra ihany.

  1. Tsy misy mahasakana ny asan’Andriamanitra

Fampisehoan-kery izao ataon’Andriamanitra izao, fampisehoan-kery amin’ireo mpababo ny Isiraely. Hiasa hanafaka ny Isiraely amin’ny fahababoana Izy ka manontany hoe raha hataony izany, iza no hery hahavita hanakana izany. Teny fanomezan-toky ny babo izany fa rehefa tena hiasa Andriamanitra dia tsy misy na iza na iza ho afaka hanakana izany. Manana ny hery sy ny fahefana rehetra hanafaka antsika amin’izay mety ho zavatra mambabo antsika ny Tompo, ary raha ny marina tsy miera na amin’iza na amin’iza Izy raha hanao izany ho antsika. Rehefa tena mijery ny tantaran’ny famonjena isika dia tsy nisy hery teto amin’izao tontolo izao na iza na iza afaka nanohitra an’Andriamanitra sy ny asany.

Raha mandinika manokana ny asan’Andriamanitra tamin’ny alalan’i Jesoa Kristy isika dia hahatsiaro fa tsy voasakana ny famonjen’i Jesoa izao tontolo izao teo amin’ny hazo fijaliana. Toky ho antsika mamaky ny Soratra Masina ny mamaky izao mofonaina izao fa manana hery sy fahefana tsy hainy tohaina ny Tompo.

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.