MOFON’AINA ALATSINAINY 06 JOLAY 2020

8 Fa ny hanina tsy hampaninona antsika amin’Andriamanitra; fa na dia tsy homana aza isika, dia tsy matiantoka; ary na dia homana kosa aza isika, dia tsy mahazo tombony. 9 Nefa tandremo, fandrao izany fahafahanareo izany ho tonga fahatafintohinana ho an’ny malemy. 10 Fa raha misy mahita anao izay manam-pahalalana mipetraka mihinana ao amin’ny tempolin’ny sampy, tsy hampahasahy ny fieritreretan’ny malemy hihinana izay hena aterina amin’ny sampy koa va izany? 11 Fa verin’ny fahalalanao ny malemy, dia ny rahalahy izay navotan’i Kristy tamin’ny fahafatesana? 12 Fa raha manota toy izany amin’ny rahalahy hianareo ka manimba ny fieritreretan’ny malemy, dia manota amin’i Kristy ianareo. 13 Koa raha ny hanina no mahatafintohina ny rahalahiko, dia tsy hihinan-kena akory aho mandrakizay, fandrao mahatafintohina ny rahalahiko.
1 KORINTIANA 8 : 8-13

FADIANA NY MANAFINTOHINA NY RAHALAHY

Ny akamaroan’ny hena namidy tao Korinto dia hena avy naterina teny amin’ny sampy avokoa. Noho io trangam-piarahamonina io dia nanoratra tany amin’ny Paoly ny kristianina tao amin’ny fiangonana tao Korinto raha mety na tsia ny mihinana ny hena naterina tao amin’ny sampy. Valintenin’i Paoly ho amin’izany fanontaniana izany ity 1 Kor 8 ity. Ny olana tao Korinto dia ny havonavona nisy teo amin’ny samy Korintianina izay samy nihevitra ny tenany ho manam-pahalalana. Nisy nieritreritra fa manam-pahalalana ka nilaza fa mety, ary nisy nihevitra fa tsy mety. Dia samy niziriziry tamin’ny heviny izy ireo. Niezaka namaha izany olan’ny fiziriziriana tamin’ny fahalalany avy izany Paoly ka nananatra fa tonga mieboebo ireto Korintianina fa tsy ampy fitiavana. Anisan’ny valintenin’i Paoly tamin’izao fanontaniana izao ny hoe tsy maninona akory raha mihinana ny hena naterina amin’ny sampy ny kristianina satria tsinotsinona ny sampy. Fa raha mihinana ilay hena kosa ny kristianina no sady mivavaka amin’ilay sampy nanaterana ilay hena dia izay no tsy mety. Eo anatrehan’izao zava-misy izao koa anefa dia mizara roa ny kristianina ao Korinto, misy izay efa matanjaka ka mahalala tsara fa tsy misy dikany ny fihinanana hena amin’ny sampy satria tsy ny zavatra hohanina no mampifanakaiky amin’Andriamanitra, ary misy ireo malemy izay tena mbola tsy ampy fahalalana ka mety ho tafalatsaka amin’ny fahotana noho ny fihinanana hena naterina amin’ny sampy. Arak’izany dia

  1. Tsy manao zavatra izay mety hitarika ny namana ho amin’ny fahotana ny mino (and 9)

« Nefa tandremo, fandrao izany fahafahanareo izany ho tonga fahatafintohinana ho an’ny malemy »

Amin’ny maha-kristianina dia tena zava-dehibe ny manao ezaka mitondra tena tsara. Mitandrina tsara amin’ny zavatra rehetra. Mila mitandrina tsara ny kristianina sao ny zavatra ataony dia mitarika ny namany malemy amin’ny finoana, mbola tsy miorina tsara amin’ny finoana, mbola tsy mahajoro tsara amin’ny finoana hiala amin’Andriamanitra. Nisy ihany mantsy kristianina efa matanjaka nihinana hena naterina tamin’ny sampy, ary nihinana izany tany amin’ny tempolim-tsampy mihitsy ho enti-maneho fa tsinotsinona ny sampy. Mila mitandrina izy ireny hoy Paoly sao voatariny hanao toa azy koa ny malemy finoana ka hihinana hena any koa ka ho voatarika hivavaka amin’ny sampy.

Amin’ny maha-kristianina antsika dia tonga handanjalanja tsara isika izay rehetra ataontsika, indrindra izay ataontsika ka hitan’ny hafa sao manimba ny hafa, sao mitarika azy ireo hanaotao foana ka hampiala azy ireo amin’Andriamanitra. Mila mitandrina tsara sao zavatra tsy dia misy dikany akory toy ny fihinanana hena no hanimbantsika ny finoana izay tena mbola marefo sy malemy ao amin’ny namantsika.

  1. Fehizina tsara ny tena (and 13)

« Koa raha ny hanina no mahatafintohina ny rahalahiko, dia tsy hihinan-kena akory aho mandrakizay, fandrao mahatafintohina ny rahalahiko. »

Amin’ny maha-kristianina dia tsy izaho intsony no ivon’ny zavatra rehetra. Rehefa kristianina aho dia Jesoa no ivon’ny zavatra rehetra, ireo kristianina namako no ivon’ny zavatra rehetra. Koa ny zavatra rehetra ataon’ny kristianina dia tokony hiheverany mandrakariva ny kristianina hafa. Eto Paoly dia mampianatra fa azo atao tsara ny mifehy tena, fehezina tsy hihinana hena raha ohatra ka izany no mety hanimba ny namany. Fehezina ny tena tsy hihinan-kena raha ohatra ka izany no sao sanatria hitarika ny hafa hiala amin’Andriamanitra. Misy zavatra mety tian’ny mino kanefa azony ampandeferina izany noho ny amin’ny finoan’ny namany. Rehefa tena ao amin’ny mino ny fitiavana an’i Jesoa Kristy, rehefa tena ao amin’ny mino ny fitiavana ny namany dia hainy tsara ny mifehy ny tenany tsy hanao zavatra mety hanimba azy ireo, noho izy ireo mbola kely finoana, mbola tsy miorina tsara amin’ny finoana.

Zavatra mila ianarana tsara ny manao ny hafa ho zava-dehibe mihoatra noho ny tena. Zavatra mila ianarana ao amin’i Jesoa Kristy izany izay nanao tsinotsinona ny tenany mba ahafaha-mamonjy izao tontolo izao.

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.