Mofon’aina – ALATSINAINY 06 NOVAMBRA 2017

1 Soraty ho amin’ ny anjelin’ ny fiangonana any Efesosy. Izao no lazain’ Ilay mihazona ny kintana fito eny an-tànany ankavanana sady mandeha eo afovoan’ ny fanaovan-jiro volamena fito:2 Fantatro ny asanao sy ny fikelezanao aina sy ny faharetanao ary ny tsi-fahazakanao izay mpanao ratsy; ary ianao efa nizaha toetra izay milaza ny tenany ho Apostoly, kanjo tsy izy, ary hitanao fa mpandainga izy;3 ary manana faharetana ianao ka niaritra noho ny anarako sady tsy reraka.4 Kanefa manan-teny aminao Aho, satria efa niala tamin’ ny fitiavanao voalohany hianao.5 Koa tsarovy izay nitoeranao fony tsy mbola lavo, dia mibebaha, ka manaova ny asa voalohany; fa raha tsy izany, dia ho avy aminao Aho ka hamindra ny fanaovan-jironao hiala amin’ ny fitoerany, raha tsy mibebaka hianao.6 Kanefa izao no toetranao: halanao ny asan’ ny Nikolaita, izay halako koa.7 Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino izay lazain’ ny Fanahy amin’ ny fiangonana. Izay maharesy dia havelako hihinana ny avy amin’ ny hazon’ aina, izay eo amin’ ny Paradisan’ Andriamanitra.
APOKALYPSY 2 :1-7

NY  FIANGONANA  MIANDRY  NY FIAVIAN’NY  TOMPO

Nahazo  hafatra  manokana  avy  tamin’ny  Tompo   ny fiangonana tao  Efesosy . Eo  am-piandrasana  ny fiaviany  indray  dia taomina  ny  mpino  mba:

1-Hifikitra amin’i Jesoa  hatrany  (and 2-4)

Noderain’ny  Tompo  manokana  noho ny asany   ny fikelezany  aina  , ny faharetany ary  ny tsy fahazakany  ny mpanao  ratsy  ity  fiangonana ity. Nahazo fanakianana mafy  kosa anefa  izy   noho ny  fialany tamin’ilay  fitiavana voalohany. Tsy inona  izany   fa ny tsy fisian’ny finoana an’i Jesoa Kristy  intsony  tahaka  ny tamin’ny andro voalohany  nandraisan’izy ireo  ny Filazantsara. Tsy ampy  noho  izany  ny fihetsiketsehana ivelany  hahazoana  sitraka  amin’ny Tompo  raha toa ka mihen-danja  ny  fitiavana Azy . Hazony  mafy  mba hihen-danja  ny fitiavana  an’i Jesoa eo am-piandrasana  indray ny fiverenany.

2-Hibebaka  amin’izay  nananaran’ny  Tompo (and 5)

Miverina  matetika eto  ny antso  ho amin’ny fibebahana. Fiverenana  amin’ny  Tompo no hevitr’izany  amin’ny ankapobeny. Fiantsoana  ny  mpino   mba hihazona ny hafanampo   amin’ny fitiavana  an’i Jesoa  kosa izany  eto na inona na inona  mitranga  mandra-piaviny. Fahavoazana  lehibe no  ateraky  ny tsy fibebahana  eto satria  very  maina ny fisasarana rehetra natao  tsy amin’ny fitiavana ny  Tompo (Mat 7 :22-23).

Fanontaniana :

Inona no tokony hatao mba tsy hampihena ny fitiavana ny Tompo ?

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra. Amen !