MOFON’AINA ALATSINAINY 06 SEPTAMBRA 2021

9 Koa izany fahasambarana izany moa an’ ny voafora ihany va, sa an’ ny tsy voafora koa? fa lazaintsika fa ny finoana no nisaina ho fahamarinan’ i Abrahama.10 Ary ahoana no nanisana izany? Tamin’ izy efa voafora va, sa fony izy tsy mbola voafora? Tsy tamin’ izy efa voafora tsy akory, fa fony izy tsy mbola voafora.11 Ary ny famorana, izay famantarana, dia noraisiny ho tombo-kasen’ ny fahamarinana amin’ ny finoana izay nananany fony izy tsy mbola voafora, mba ho rain’ ny olona rehetra izay mino izy, na dia ny tsy voafora aza, mba hisaina ho an’ ireny ny fahamarinana,12 ary ho rain’ ny voafora, dia tsy izay voafora ihany, fa izay mandeha araka ny dian’ ny finoan’ i Abrahama razantsika koa, izay nananany fony izy tsy mbola voafora.
ROMANA 4 :9-12

Nahatonga ady hevitra teo amin’ny mpino ny amin’ireo Jentilisa izay manolo-tena ho an’ny Tompo. Ao ny milaza fa tsy maintsy forana aloha ireo vao azo ekena ny fanolorantenany . Nitondra fanazavana àry i Paoly fa :

Ny fanamarinan’ Andriamanitra ny mpanompony dia :

1-Tsy miankina amin’ny fiaviana sy ny fombafomba

« Koa izany fahasambarana izany , moa an’ny voafora ihany va, sa an’ny tsy voafora koa ? » Fanontaniana no apetrak’i Paoly eto ary izay ihany no mitondra valiny tandrify izany. Ambaran’i Paoly fa manana zo hisitraka ny fahasambaran’ny olona nohamarin’ny Tompo ihany koa na ireo izay atao hoe : Jentilisa, hafa firenena izay tsy Jiosy. Raha natokana ho an’ny Jiosy ihany tokoa mantsy ny famonjena, na dia isika aza sahirana amin’izany. Soa ihany fa ho an’izao tontolo izao ny famonjen’ny Tompo, dia izay mino Azy izany . Tsy fiaviana na fombafombam-pivavahana no hanamarinana antsika.

2-Miankina amin’ny dian’ny finoan’i Abrahama

« Fa izay mandeha araka ny dian’ny finoan’i Abrahama razantsika koa , izay nananany fony izy tsy mbola voafora » (and12). Ambaran’i Paoly fa raha nandray ny teny fikasana avy amin’ny Tompo Abrahama dia fony izy mbola tsy voafora . Ny finoan’i Abrahama no nampisongadina azy ka nanekeny ny baikon’ny Tompo , satria izay marina amin’ny finoana no ho velona .

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.