Mofon’aina – ALATSINAINY 08 JANOARY 2018

17 Ary raha tany Mileto Paoly, dia naniraka hankany Efesosy izy ka nampaka ny loholon’ ny fiangonana hankeo aminy.18 Ary nony tonga teo aminy ireo, dia hoy izy taminy: Fantatrareo hatramin’ ny andro voalohany nahatongavako teto Asia izay toetry ny fitondran-tenako taminareo tamin’ izany andro rehetra izany,19 dia ny nanompoako ny Tompo tamin’ ny fanetren-tena rehetra sy ny ranomaso ary ny fakam-panahy izay nanjo ahy tamin’ ny fanotrehan’ ny Jiosy,20 ka tsy mba nafeniko izay mahasoa, fa nambarako sy nampianariko anareo teo imason’ ny olona ary tao amin’ ny isan-trano;21 ary nambarako tamin’ ny Jiosy sy ny jentilisa koa ny fibebahana amin’ Andriamanitra sy ny finoana an’ i Jesoa Kristy Tompontsika
Asan’ny Apostoly 20.17-21

ASEHOY  NY HERY ENTIN’NY  TOMPO  MIASA

1-Mahaiza  mandrindra sy mandamina  ny asa 

Maika  hamonjy  an’i Jerosalema  ny Apostoly  Paoly   hitondra ny rakitra   sy fanampiana  avy amin’ny fiangonana  tany Azia . Maika  izy  satria  nikasa  hamonjy  Pentekosta  any Jerosalema (vakio  and 16). Tsy   afaka  nandalo  tany Efesosy  intsony  , araka ny fikasany  izy , noho  ny fahamehany  ka nampiantso  ny Loholona , rehefa  tonga  tao Mileto  (and 17). Hain’i Paoly  ny nandamina ny asa, arakaraka ny zava-misy. Rehefa  nampanantsoiny  ny loholona dia tonga  tao aminy .Fahaiza-mandrindra sy mandamina izany. Hita  koa fa neken-teny  i Paoly, noho ny amin’ny Tompo , ary  nanana  ny fahefan’ny Tompo izy .

Koa mahaiza  mandamina  sy mandrindra  ny asa sy fotoana, fa hahazoana  mitaratra  ny hery  entin’ny Tompo miasa izany. Mampiasa  antsika Izy  ka manome  antsika  hery  sy fahefana ho enti-mandrindra sy mandamina  ny asa isehoan’ny Voninahitr’ Andriamanitra. Asehoy   izany eo   amin’ny asam-piangonana sy ny asanao andavanandro.

2-Tsarovy  fa hery  tanterahina  amin’ny fahalemena izany 

Nananatra ireo loholona  , mpiara-miasa taminy  tao Efesosy  i Paoly  , ka nilaza  ny fomba entiny  mitory  Filazantsara  sy  manompo  (and 19-20). Nasehony  fa nataony  tamin’ny fanetretena  sy tamin-dranomaso  izany, satria be ny fakampanahy  sy ady atrehany. Tsy làlana  mora, na tsotra  no izoran’ny mino, fa ahitana   adin-tsaina  amam-panahy, zava-manahirana  sy  ranomaso. Tamin’izany  no nahombiazan’i Paoly, satria  afaka  nampibebaka ny olona rehetra  izy . Tanterahin’ny Tompo  amin’ny fahalemena ny heriny.

Fanontaniana:

Moa mivatravatra  hatrany  tokoa  ve ny herin’ny Tompo ?

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra. Amen !