MOFON’AINA ALATSINAINY 08 MARTSA 2021

18 Ary ny mpianatr’i Jaona nanambara izany rehetra izany taminy. 19 Ary Jaona niantso ny mpianany roa lahy hankao Aminy, dia naniraka azy hankany amin’ny Tompo hanao hoe: Ianao va Ilay ho avy sa mbola hafa no andrasantsika? 20 Ary nony tonga tany Aminy ireo lehilahy ireo, dia nanao hoe: Jaona Mpanao-batisa naniraka anay hankaty Aminao hanao hoe: Ianao va Ilay ho avy, sa mbola hafa no andrasantsika? 21 Ary tamin’izany ora izany Jesoa dia nahasitrana olona maro tamin’ny rofy sy ny aretina sy ny fanahy ratsy sady nampahiratra ny jamba maro. 22 Dia namaly Izy ka nanao taminy hoe: Mandehana ianareo, ambarao amin’i Jaona izao hitanareo sy renareo izao; mahiratra ny jamba, afaka ny mandringa, diovina ny boka, malady ny marenina, atsangana ny maty, ary ny malahelo dia itoriana ny filazantsara. 23 Ary sambatra izay tsy ho tafintohina noho ny Amiko.
LIOKA 7 : 18-23

NY FIZAHAN-TOETRA AN’I JAONA MPANAO BATISA

Anisan’ny olo-malazan’ny finoana i Jaona mpanao Batisa. Izy no mpaminany lehibe indrindra hoy Jesoa. Ny fizahan-toetra nahazo azy dia

  1. Nahatonga fisalasalana (and 18-20)

« Ary Jaona niantso ny mpianany roa lahy hankao aminy, dia naniraka azy hankany amin’ny Tompo hanao hoe: Ianao va Ilay ho avy sa mbola hafa no andrasantsika? »

Noho ny hamafin’ny fahoriana nahazo an’i Jaona. Izany fahoriana izany dia tsy inona fa ny famonjana azy, dia tonga nisalasala ny amin’i Jesoa Kristy izy. Izany no nahatonga azy nanontany na Jesoa no izy na mbola hafa no andrasana. Tsy ampy hahazakana ny fahoriana mahazo ny maha-ngeza lahy amin’ny fivavahana sy ny finoana arak’izao. Rehefa tena mafy ny fizahan-toetra dia mety ho tonga amin’ny fisalasalana ihany raha tsy mifikitra sy miombona tsara amin’i Jesoa, izay ivo sy anton’ny finoana Kristianina.

Aza atao ho zavatra mahagaga arak’izany ny fahatongavana amin’ny fisalasalana rehefa tojo zava-tsarotra. Fa ny tantara dia milaza amintsika fa zavatra mety hahazo sy hanjo antsika izany. Mba tsy hahatongavana amin’izany anefa dia zava-dehibe ny fiombonana amin’i Kristy, izany fiombonana amin’i Kristy izany ihany no mahatonga antsika tsy ho tratry ny fisalasalana ao anaty ady sarotra sy fizahan-toetra mahamay.

  1. Namerina ny fahalalany an’i Kristy (and 21-23)

« Dia namaly Izy ka nanao taminy hoe: Mandehana ianareo, ambarao amin’i Jaona izao hitanareo sy renareo izao; mahiratra ny jamba, afaka ny mandringa, diovina ny boka, malady ny marenina, atsangana ny maty, ary ny malahelo dia itoriana ny filazantsara »

Tao am-ponja, tao anaty fizahan-toetra no naverina nampianarina i Jaona ny amin’i Kristy. Ny filazana tamin’i Jaona ny asa rehetra nataon’i Jesoa no nampahatsiaro azy indray ny maha-Mesia an’i Jesoa. Fotoan’ny fianarana ny amin’i Mesia ny fotoan’ny fizahan-toetra tao am-ponja ho an’i Jaona. Tsy navelan’i Jesoa nitoetra tao amin’ny fisalasalana noho ny hamafinin’ny fizahan-toetra Jaona fa nampianariny. Ilay fampianarana azy ny asan’ny Mesia, asa nataon’i Jesoa no namerina an’i Jaona indray hahatakatra fa Jesoa no Mesia, Izy no nirahin’Andriamanitra hamonjy izao tontolo izao.

Mety misy fotoana koa isika misalasala, koa aoka hanao ho zava-dehibe ny fianarana Soratra Masina, aoka hazoto hampitombo fahalalana momba an’i Kristy. Izany no mamerina amin’ny laoniny ny finoantsika. Sambatra isika, indrindra isika Kristianina fa manana ny Soratra Masina izay mitahiry ny asan’i Jesoa, ireny no manamafy amintsika fa Jesoa tokoa no Mesia nirahin’Andriamanitra hamonjy izao tontolo izao.

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.