Mofon’aina – Alatsinainy 09 janoary 2017

36 Koa noho izany dia izao no lazain’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, ny amin’ ity tanàna ity, izay ataonareo hoe: Hatolotra eo an-tànan’ ny mpanjakan’ i Babylona amin’ ny sabatra sy ny mosary ary ny areti-mandringana izy:37 Indro izy hangoniko avy any amin’ ny tany rehetra izay nandroahako azy tamin’ ny fahatezerako sy ny fisafoahako ary ny fahavinirana be; ary ho entiko amin’ ity tany ity indray izy ka hataoko mandry fahizay;38 ary izy ho oloko, ary Izaho ho Andriamaniny.39 Dia homeko fo iray sy làlana iray izy, mba hatahorany Ahy làlandava hahasoa azy sy ny zanany mandimby azy;40 dia hanao fanekena mandrakizay aminy Aho, dia ny tsy hitsaharako amin’ ny fanasoavako azy; ary ny fahatahorana Ahy dia hataoko ao am-pony kosa, mba tsy hialany amiko.41 Eny, ho faly aminy Aho ka hahasoa azy, dia hamboly azy amin’ ity tany ity tokoa amin’ ny foko rehetra sy ny fanahiko rehetra.
JEREMIA 32 :36-41

MAHATOKY AMIN’NY TENIM-PAMONJENY NY TOMPO

1-Manao fanambarana lehibe Izy

Misy fotoana toa mampangina an’Andriamanitra. Na teo amin’ny tantaram-pamonjena aza dia nisy vanim-potoana tsy nandrenesana ny tenin’ny Mpaminany akory (zahao Amo 8.11-12). Miteny amin’ny alalan’ny mpaminany Izy eto : « Izao no lazain’i Jehovah » (and 36). Fomba fiteny mampiditra fanambarana lehibe sy miezinezina izany fahiny . Inona no hambaran’ny Tompo ? Famonjena ! Tian’ny Tompo hambara amin’ny fomba manetriketrika izany . Io no lehibe amin’ny Tenin’ny Tompo, sady mahatoky amin’ny teny milaza famonjena Izy . Hafa noho izay heverin’ny olona no ambaran’ny Tompo. Dinihp eto ny fulazan’ny olona (and36b) sy ny tenin’ny Tompo (and37-41). Moa tsy mifanohitra ve ?

2-Milaza famonjena sy fanekena mandrakizay Izy

« Indro hangoniko avy any amin’ny tany rehetra izy … »(and 37), « izy ho oloko, Izaho ho Andriamaniny…dia hanao fanekena mandrakizay aminy Aho »(and 38 ,40).Tenin’ Andriamanitra izany , ary teny tsy miova satria hanehoany fahavononana hotanterahina mandrakizay ho an’ny taranak’izay nofidiny sy nantsoiny . Andriamanitra tsy miova Izy, fa rehefa tia hatramin’ny farany, ka na ny zanany aza nafoiny ho faty noho ny fitiavany hamonjy antsika. Fanekena tsy ho rava ary azo antoka mandrakizay no ataony amin’izay matahotra Azy.

Fanontaniana :

Moa tolo-botsotra sy mandeha ho azy ho an’ny rehetra ve, na inona na inona ataony ny famonjen’ny Tompo ?

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.Amen !