MOFON’AINA ALATSINAINY 09 MARTSA 2020

Koa aoka ho fantatry ny taranak’Isiraely rehetra marimarina fa iny Jesoa nohomboanareo tamin’ny hazofijaliana iny dia efa nataon’Andriamanitra ho Tompo sy Kristy. 37 Ary raha nandre izany ny olona, dia voatsindrona tam-pony ka nanao tamin’i Petera sy ny Apostoly namany hoe: Ry rahalahy, inona ho hataonay? 38 Ary hoy Petera taminy: Mibebaha, ary aoka samy hatao batisa amin’ny anaran’i Jesoa Kristy hianareo rehetra mba hahazo famelana ny helokareo; ary ianareo handray ny fanomezana, dia ny Fanahy Masina; 39 fa ny teny fikasana dia ho anareo sy ny zanakareo ary ho an’izay rehetra lavitra, na iza na iza hantsoin’ i Jehovah Andriamanitsika hanatona Azy. 40 Ary nanambara sy nananatra azy tamin’ny teny maro hafa koa izy ka nanao hoe: Aoka hovonjena ho afaka amin’ity taranaka maditra ity ianareo.
ASAN’NY APOSTOLY 2 : 36-40

IREO DINGANA HARAHINA HANDRAISANA NY FANAHY MASINA

Raha olona tia mampandroso fiangonana isika dia zava-dehibe ny miverina mandinika ny bokin’ny Asan’ny Apostoly. Voatantara ao avokoa ny asa mahagaga nataon’Andriamanitra tamin’ny fiangonana, indrindra taorian’ny nilatsahan’ny Fanahy Masina tamin’ny andro Pentekosta. Raha ny marina, araka ny hevitry ny mpandinika dia Asan’ny Fanahy Masina no tokony niantsoana ity boky ity noho izy mitantara ny zava-dehibe niseho teo amin’ny fiangonana taorian’ny Pentekosta noho ny asan’ny Fanahy Masina. Toriteny voalohany nataon’i Petera tamin’ny andro Pentekosta ity. Toriteny izay nahatonga ny olona voatsindrona tao am-po ka nangataka toromarika ny amin’izay tokony hataon’izy ireo. Ireto no dingana handraisana ny Fanahy Masina

  1. Mibebaka

Ny hoe mibebaka eto dia manaiky ny maha-olombelona mpanota aloha. Izay manaiky ny maha-mpanota azy no miala amin’izay ratsy mamatotra azy. Ary rehefa miala amin’ny maha-mpanota dia miverina ao amin’Andriamanitra. Tsy ho tafaverina ao amin’Andriamanitra na oviana na oviana ny olona arak’izao raha tsy efa afaka tamin’izay namatoran’ny fahotana azy izy. Dingana fototra tsy azo ialana ny fiaikena ny heloka raha hiverina marina ao amin’ny Tompo.

  1. Manaiky ho tonga zanak’Andriamanitra

Izay rehetra tafaverina ao amin’Andriamanitra no tonga indray zanak’Andriamanitra. Ny Batisa no fanomezana marika hanehoana ny maha-zanak’Andriamanitra. Izay vita batisa no tena zanak’Andriamanitra. Porofo tsy azo fafana ny maha-zanak’Andriamanitra ny batisa. Mpisandoka avokoa izay milaza ny tenany ho zanak’Andriamanitra kanefa tsy mitondra ny mariky ny maha-zanak’Andriamanitra azy marina. Zava-dehibe ny batisa satria fomba iray hananganan’Andriamanitra antsika indray ho zanany izany.

  1. Mandray ny famelan-keloka

Ny zanak’Andriamanitra dia misitraka izay maha-zanak’Andriamanitra azy izay. Ny fandraisana ny famelan-keloka no endrika sy fomba hita maso ny maha-zanak’Andriamanitra marina. Ny tena zanak’Andriamanitra dia tsy misy heloka mampifanalavitra intsony amin’Andriamanitra. Ny hoe voavela heloka koa dia azo adika ho mariky ny fiverenan’ny fahatsaram-pifandraisana amin’Andriamanitra indray. Aoka atao ho zava-dehibe izany famelan-keloka izany, aoka ho zavatra laharam-pahamehana hiazakazahana hamonjy ny fiangonan’Andriamanitra izany. Aza mba manaiky mivoaka amin’ny trano fiangonana, izay toerana natokana hihaonana amin’Andriamanitra raha tsy efa nahazo ity famelan-keloka avy amin’Andriamanitra ity.

  1. Mandray ny Fanahy Masina

Omen’Andriamanitra ny zanany ny Fanahiny. Hitarika azy amin’ny maha-zanak’Andriamanitra azy. Izay manana ny Fanahy Masina no ho toa an’i Jesoa, Ilay naneho ho hita maso ny maha-izy azy ny zanak’Andriamanitra. Raiso ny Fanahy Masina omen’Andriamanitra antsika zanany. Andriamanitra ao amintsika ny Fanahy Masina, Andriamanitra mampahery, Andriamanitra mitarika, Andriamanitra manome fahendrena, sns… tena zava-dehibe ny fananana ny Fanahy Masina koa aoka horaisina izany, indrindra raha mahatsiaro isika fa efa voavela heloka tokoa.

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.