MOFON’AINA ALATSINAINY 09 NOVAMBRA 2020

Dia niala teo Jesoa ka nankany amin’ny fari-tanin’i Tyro sy Sidona. 22 Ary, indro, nisy vehivavy Kananita anankiray nivoaka avy tamin’izany tany izany ka niantso nanao hoe: Mamindrà fo amiko, Tompoko, Zanak’i Davida ô! ny zanako-vavy ampahorin’ny demonia loatra. 23 Fa Izy tsy namaly teny azy. Dia nanatona ny mpianany ka nangataka taminy nanao hoe: Roahy izy, fa miantso mafy ato aoriantsika. 24 Ary Izy namaly ka nanao hoe: Tsy nirahina Aho afa-tsy ho amin’ny ondry very amin’ny taranak’Isiraely. 25 Fa nanatona ihany ravehivavy, dia niankohoka teo anatrehany ka nanao hoe: Tompoko ô, vonjeo aho. 26 Fa Izy namaly ka nanao hoe: Tsy mety raha maka ny mofon-jaza ka manipy azy ho an’ny amboakely. 27 Fa hoy ravehivavy: Marina izany, Tompoko; fa na dia ny amboakely aza mba mihinana izay sombintsombiny latsaka avy amin’ny latabatry ny tompony ihany. 28 Dia namaly Jesoa ka nanao taminy hoe: Ravehivavy, lehibe ny finoanao; tongava aminao araka izay irinao. Dia sitrana ny zanani-vavy tamin’izay ora izay.
MATIO 15 : 21-28

JESOA KRISTY MAMONJY AMIN’NY ASAN-DEMONIA

Jesoa ao amin’ny filazantsara dia asehon’ny mpanoratra fa olon’ny asa. Tena mandehandeha mitety toerana maro Izy hamonjy ireo rehetra mila vonjy. Maro koa ireo olona tena mila vonjy ka nahatonga an’i Jesoa tsy maintsy nihetsika. Noho Jesoa nihetsika, nivezivezy dia azon’ny olona rehetra natonina Izy nangataham-pamonjena. Eto amin’izao mofonaina izao dia tonga tany amin’ny tanin’ny Jentilisa Jesoa. Ary nisy vehivavy jentilisa nanatona Azy ary niangavy Azy hamonjy ny zanany tamin’ny asan-demonia. Nanaiky nanasitrana ny zanany Jesoa ka nanafaka azy tamin’izany. Inona marina ary no nahatonga an’i Jesoa nanasitrana ny zanak’ity vehivavy jentilisa ity ?

Antony roa no nahatonga an’i Jesoa namonjy ny zanany

  1. Noho ny Ezaka nataony (and 21,22)

« Dia niala teo Jesosy ka nankany amin’ny fari-tanin’i Tyro sy Sidona. 22 Ary, indro, nisy vehivavy Kananita anankiray nivoaka avy tamin’izany tany izany »

Ny ezaka voalohany eto dia izay nataon’i Jesoa. Andriamanitra niezaka nanatona ny olona rehetra Izy. Ny fidiran’i Jesoa tany amin’ny tanin’ny Tyro sy Sidona dia ezaka fanatonana ireo Jentilisa izay nahiliky ny Jiosy. Rehefa tonga tany amin’ny tanin’ny Jentilisa Jesoa dia mora tamin’ny jentilisa ny nanatona sy nanakaiky Azy.

Ny ezaka faharoa dia izay nataon’ilay vehivavy nanan-janaka nampahorian’ny demonia. Niala tany amin’ny taniny izy ka nanatona an’i Jesoa. Mila ezaka avy amin’izay manan’olana ihany koa ny fahazoam-pamonjena avy amin’i Jesoa. Tsy ampy mantsy raha Andriamanitra ihany no manatona antsika, mila antsika manatona Azy koa Andriamanitra. Ary efa tena mora ny manatona an’Andriamanitra amin’ny alalan’i Jesoa Kristy.

Ny ezaka ataon’Andriamanitra sy ny ezaka ataontsika no ahazoam-pamonjena amin’izay manahirana antsika. Ataovy avokoa izay ezaka tandrify antsika fa ny an’Andriamanitra efa vitany tamin’ny alalan’i Jesoa Kristy.

  1. Noho ny fanetretenany (and 27)

« Fa hoy ravehivavy: Marina izany, Tompoko; fa na dia ny amboakely aza mba mihinana izay sombintsombiny latsaka avy amin’ny latabatry ny tompony ihany »

Ny jentilisa dia nosokajian’ny Jiosy ho toy ny amboa. Nolazain’i Jesoa tamin’ity vehivavy ity izany fanasokajiana izany. Neken’ity vehivavy ity izany fanasokajiana izany. Tsy nampaninona azy izany satria te hahita an-janany ho sitrana izy. Ny fitiavan-janaka tao aminy no nanekena na dia ny fanambanian’ny jiosy azy aza mba hahazoany sombim-pamonjena avy amin’i Jesoa. Toy ny ahoana ny fitiavan-janaka ao aminao ? Zavatra toy ny ahoana no mahazo anao ka ekenao mba hahatonga ny zanakao hahazo famonjena ? Tsy mora tamin’ity vehivavy ity izany kanefa nekeny satria fantany fa raha tsy izany dia tsy ho sitrana amin’izay mamatotra azy ny zanany.

Ny fanetretena sy ny fitiavan-janaka tao aminy no hitan’i Jesoa. Ny finoana koa fa Jesoa dia afaka mamonjy azy amin’ny asan-demonia. Ireo rehetra ireo no nahatonga an’i Jesoa namonjy ny zanany.

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra .