MOFON’AINA ALATSINAINY 10 DESAMBRA 2018

15 Dia nivory indray ny Jiosy izay tany Sosana tamin’ ny andro fahefatra ambin’ ny folo tamin’ ny volana Adara ka namono olona telon-jato lahy tany Sosana; kanefa ny fananany tsy mba norobainy tsy akory.16 Ary ny Jiosy sasany isan-tokony tamin’ ny fanjakan’ ny mpanjaka dia nivory hiaro ny ainy, ka afaka tamin’ ny fahavalony izy, ary dimy arivo amby fito alina no matiny (kanefa ny fananany tsy mba norobainy)17 tamin’ ny andro fahatelo ambin’ ny folo tamin’ ny volana Adara; ary nitsahatra izy tamin’ ny andro fahefatra ambin’ ny folo, ka nataony ho andro fanasana sy firavoravoana izany.
ESTERA 9 : 15-17

NY TRANGA EO AMIN’NY FIAINAN’NY MPINO

1 –  Ao ny andro hiatrehana ady sarotra

« Ary ny Jiosy sasany isan-tokony tamin’ny fanjakan’ny mpanjaka dia nivory hiaro ny ainy, ka afaka tamin’ny fahavalony izy ». (And. 16a). Manam-pahavalo ny vahoakan’ Andriamanitra, fahavalo tsy mitaza-potsiny fa mitady izay fomba rehetra handavoana sy handringanana. Tsy maintsy mijoro, ary tsy maintsy mandray andraikitra eo anatrehan’ izany ny mpino. Voasoratra fa : « ny devoly fahavalo, dia mandehandeha tahaka ny liona mierona mitady izay harapany »Soa fa eo i Jesoa momba antsika mandrakariva.

2 –  Ao ny andro hifaliana sy hiravoravoana

Ao ny milaza fa ady ny fiainana. Misy tokoa ny fotoan- tsarotra diavintsika mazàna. Na izany aza dia misaotra ny Tompo isika fa hatrany hatrany, dia mahita ny adintsika Izy, mihaino Izy, mamaha olana Izy ary manome valimbavaka Izy. Izay ilaina amintsika dia fanomezam- boninahitra ny Tompo, ny fanehoana fifaliana sy firavoravoana.

3 – Ao ny andro hanomezana

«  Dia nanao ny andro fahefatra ambin’ny folo amin’ny volana adara ho firavoravoana sy fanasana sy andro mahafaly ary fanateran-javatra izy ireo » (And. 19d). Niatrika ady, hoy isika, ireto Jiosy ireto. Raha toa ka resy izy ireo dia sady voaroba ny fananany ary tandindomin- doza ny ainy. Teo anefa ny fiarovan’Andriamanitra ka fifaliana ho azy ireo ny nanome, nanolotra ho mariky nv fankasitrahana sy fisaorana. Voasoratra fa : «  ny mpanome amin’ny fifaliana no tian’Andriamanitra ». (2 Kor. 9, 7)

Fanontaniana:
Inona no fíhetsika na marika hita maso sy azo tsapain- tanana ahafahana maneho ny fisaorana an’Andriamanitra ?

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra !