Mofon’aina – ALATSINAINY 10 JOLAY 2017

21 Ary tamin’ izany ora izany Jesoa dia nahasitrana olona maro tamin’ ny rofy sy ny aretina sy ny fanahy ratsy sady nampahiratra ny jamba maro.22 Dia namaly Izy ka nanao taminy hoe: Mandehana ianareo, ambarao amin’ i Jaona izao hitanareo sy renareo izao; mahiratra ny jamba, afaka ny mandringa, diovina ny boka, malady ny marenina, atsangana ny maty, ary ny malahelo dia itoriana ny filazantsara.23 Ary sambatra izay tsy ho tafintohina noho ny Amiko.24 Ary rehefa lasa ny irak’ i Jaona, dia nilaza an’ i Jaona tamin’ ny vahoaka Jesoa ka nanao hoe: Hizaha inona no nalehanareo tany an-efitra? Volotara nohozongozonin’ ny rivotra va? 25 Sa hizaha inona no nalehanareo? Olona mitafy lamba soa va? Indro, ny mitafy lamba soa sy mihinana zava-py dia ao an-tranon’ ny mpanjaka.26 Sa hizaha inona no nalehanareo tany? Mpaminany va? Eny, hoy Izaho aminareo, sady mihoatra lavitra noho ny mpaminany izy.27 Fa izy ilay voasoratra hoe: Indro, Izaho maniraka ny irako hialoha Anao, Izay hamboatra ny lalanao eo alohanao.28 Lazaiko aminareo: Amin’ izay nateraky ny vehivavy tsy misy lehibe noho Jaona; nefa ny kely indrindra amin’ ny fanjakan’ Andriamanitra dia lehibe noho izy.29 Ary ny vahoaka rehetra sy ny mpamory hetra raha nandre, dia nanamarina an’ Andriamanitra, satria natao batisa tamin’ ny batisan’ i Jaona izy.30 Fa ny Fariseo sy ny mpahay lalàna kosa nandà ny fikasan’ Andriamanitra, satria tsy mba nanatona hataon’ i Jaona batisa izy.
LIOKA 7 :21-30

OLONA TOY INONA  NO ANTSOINA HOE : VAVOLOMBELON’NY TOMPO ?

Any an-tranomaizina Jaona mpanao batisa  no naniraka ny mpianany hanontany ny momba an’i Jesoa, na Izy tokoa no ilay ho avy, na mbola hafa  no andrasana (and 20). Ireo  iraka ireo no vavolombelona satria :

1-Olona efa nihaona tamin’i Jesoa 

Tsy  ho afaka hanao tatitra any amin’i Jaona  izay naniraka azy ireo , ary  tsy hahay manazava  ny momba an’i Jesoa raha tsy efa  nihaona  taminy . Ny olona izay efa  nihaona  tamin’i Jesoa ihany no afaka  hijoro ho vavolombelona  hanambara Azy. Ny vavaka  no fomba  iray hihaonana  sy hiresahana Aminy. Ny olona  tsy mahay  mivavaka  dia tsy azo lazaina  ho iraka, ary  tsy afaka ny hijoro  ho vavaolombelon’ny  Tompo.

2-Irahin’i Jesoa 

Rehefa  tonga tany amin’i Jesoa ireo dia izao  no valiteny  azony : « mandehana  ianareo… » . Araka izany , ny vavolombelon’ny  Tompo dia izay efa nihaona  tamin’i Jesoa ka irahiny indray hanambara izay hitany sy reny momba izay rehetra efa nataony. Ny maha-izy azy ny fiangonana dia ny fiantsoana sy ny fanirahana. Izany no hanentanana antsika fiangonana rehetra hanao  ho zava-dehibe ny fitoriana  ny Filazantsara amin’ny alalan’ny fanaovana Tafika Masina . Jesoa  no maniraka antsika.

3-Manambara  izay  hitany  sy reny

« …ambarao  amin’i Jaona  izao hitanareo sy renareo izao … » (and 22). Iraka ampanaovin’ny Tompo   amintsika fiangonana ny hitory sy hanambara  ny asa mahagaga rehetra efa nataon’ny Tompo. Lazao ho ren’ny olona rehetra fa Izy no Mpamonjy  izao tontolo izao.

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra. Amen !