MOFON’AINA ALATSINAINY 10 SEPTAMBRA 2018

1 Jehovah ô, mitaraina aminao aho, faingàna hankatỳ amiko; Henoy ny feoko amin’ ny fiantsoako Anao.2 Aoka hankeo anatrehanao mandrakariva toy ny ditin-kazo manitra ny fivavako, Ary ho toy ny fanatitra hariva ny fanandratako ny tanako.3 Jehovah ô, asio fiambenana eo anoloan’ ny vavako; Ambeno ny varavaran’ ny molotro.4 Aza avela hirona ho amin’ ny zava-dratsy ny foko, Hiray raharaha amin’ ny olona mpanao ratsy hanao izay asa tsy mety; Ary aoka tsy hihinana ny zava-piny aho.5 Aoka ny marina hamely ahy amin’ ny fahalemen-panahy ka hananatra ahy, Fa diloilo ahosotra ny lohako izany, ary aoka tsy handà izany ny lohako; Fa ny hany heriko dia ny mbola hivavaka ihany noho ny faharatsian’ ireny.6 Havarina amin’ ny hantsam-bato ny mpitsara azy, Dia hankasitraka ny teniko ny olona.7 Toy ny fiasa sy ny fihevo ny tany No nanelezana ny taolanay teo am-bavan’ ny fiainan-tsi-hita.8 Fa Ianao no andrandrain’ ny masoko, Jehovah Tompo ô; Ianao no ialofako, aza mandatsaka ny aiko.9 Arovy aho amin’ ny fandrika amandrihany ahy Sy amin’ ny tadivavaran’ ny mpanao ratsy.10 Aoka ny ratsy fanahy ho latsaka eo anatin’ ny fandriny ihany, Fa izaho kosa handalo fotsiny.
SALAMO 141 : 1-10

Fitarainana atao amin’ Andriamanitra ho fiarovana ny mpanompon’ Andriamanitra  no hitantsika eto amin’ity salamo ity.

1-Ny Tompo ihany no tsara itarainana ( and 1-6 )

Amin’izay  zava-tsarotra mety mahazo na fakampanahy na fizahan-toetra  mahazo dia ny  Tompo ihany no tsara itarainana, ka vavaka maneho  ny maha- Andriamanitra  mihaino vavaka Azy no atao. Vavaka   fanehoana  ny maha-Andriamanitra mpamindra fo, be fitiavana sady tsy mba manao tsinotsinona  na maharikoriko ny fahoriana manjo antsika  (Sal 142 ; 143) no aseho eo anatrehan’ny  Tompo ka hanantenana valimbavaka avy Aminy. Azo antoka mantsy  fa ny Tompo mihaino vavaka dia hamaly tokoa araka ny haben’ny indrafony amin’ny mpanompony (Lioka 18 :7). Aza misalasala mitondra eo  amin’ny Tompo ny fitarainanao ary asehoy Aminy fa matoky Azy ianao.

2-Mangataha  fiarovana amin’ny Tompo( and.7-10)

Tena vavaka fakan-tahaka ity  eo anoloan’ izay mety hatao ho fakampanahy mahamay , dia izay ataon’ny hafa  hitarihana  anao hanao  izay tsy  mety , na izay  tsy marina  na izay tsy  rariny . Amin’izany indrindra  ny fiarovana  azo antoka dia ny Tompo : Izy no afaka hiambina ny vava , hiaro ny fo tsy hirona amin’ny ratsy , hiaro ny tena manontolo tsy hiray tsikombakomba  hanao izay tsy mety eo anatrehan’ny Tompo .Eo amin’ny sehatra misy anao , sahia mivavaka  sy mangataka  toy izany , ka tsy ho tsianjery  fotsiny intsony ny hoe : « Aza mitondra anay amin’ny fakampanahy fa manafaha anay  amin’ny ratsy » .

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra. Amen !