Mofon’aina – ALATSINAINY 11 DESAMBRA 2017

31 Inona ary no holazaintsika ny amin’ izany zavatra izany? Raha Andriamanitra momba antsika, iza no hahatohitra antsika?32 Izay tsy niaro ny Zanani-lahy, fa natolony hamonjy antsika rehetra Izy, tsy homeny antsika miaraka aminy maimaimpoana koa va ny zavatra rehetra?33 Iza no hiampanga ny olom-boafidin’ Andriamanitra? Andriamanitra no manamarina azy.34 Iza no manameloka? Kristy Jesosy no efa maty, eny, sady nitsangana tamin’ ny maty koa ka mitoetra eo amin’ ny tanana ankavanan’ Andriamanitra ary mifona ho antsika.35 Iza no hahasaraka antsika amin’ ny fitiavan’ i Kristy? Fahoriana va, sa fahantrana, sa fanenjehana, sa mosary, sa fitanjahana, sa loza, sa sabatra?36 Araka ny voasoratra hoe: Fa noho ny aminao no namonoana anay mandrakariva; Toy ny ondry hovonoina no fijery anay.37 Kanefa amin’ izany rehetra izany dia manoatra noho ny mpandresy isika amin’ ny alalan’ ilay tia antsika.38 Fa matoky aho fa na fahafatesana, na fiainana, na anjely, na ireo fanapahana, na zavatra ankehitriny, na zavatra ho avy, na hery,39 na ny ambony, na ny ambany, na inona na inona amin’ izao zavatra ary rehetra izao, dia tsy hahasaraka antsika amin’ ny fitiavan’ Andriamanitra izay ao amin’ i Kristy Jesosy Tompontsika.
ROMANA 8 :31-39

NY  FIAINAM-PAMONJENA  AZON’NY  MINO

Ny Romana  8 no anazavan’i Paoly   ny fitahiana mahatretrika  ananan’ny mpino   , ka hananany    fiainam-pandresena  sy  feno  fanantenana.

1-Ao amin’i Jesoa Kristy 

Fanontaniana enina  misesy no napetraky ny Apostoly  Paoly entina handresena  lahatra  antsika  , fa na dia  mbola eto amin’izao  tontolo izao  aza ny mpino  , dia mahazo  antoka   ny mandrakizay   , satria   momba   antsika Andriamanitra  . Porofon’izany   ny nanomezany  an’i Jesoa Kristy  zanany lahitokana  , ka afaka  hiantoka  hatramin’ny fara-tampony  amin’ny tanjona  sy izay  zavatra  ilaintsika . Planin’ Andriamanitra  ho  fanomezam-boninahitra  sy  ho  fanamasinana  antsika izany, ka tsy tokony hataontsika raraka an-tany.

2-Maneho  ny fitiavan’i Kristy 

« Iza  no hahasaraka antsika amin’ny fitiavan’i Kristy? » .Farany   tamin’ny fanontanian’i Paoly ity , izay  manasongadina  indrindra  ny fanomezana valiny  ho amin’ny filaminam-panahin’ny mpino. Ireo toe-javatra  fito voalaza  ireo  dia mety  hiainantsika  ihany (fahoriana , fahantrana, fanenjehana , mosary, fitanjahana, loza, sabatra) saingy  ny fitiavan’i Kristy  izay mihoatra  noho izany  kosa no mampandresy   antsika hatrany . io fitiavan’i Kristy  io no efa namonjeny  izao tontolo izao, ka nanolorany ny ainy sy nandatsahany  ny rany  teo ambony   hazo fijaliana. Tsarovy  àry  fa manana  anjara  amin’io fitiavan’i Kristy  io ianao, ka tonga  mpandresy tahaka Azy.

Fanontaniiana:

Tanisao  ireo  fizahantoetra  mahazo  anao nefa  tsy  mety  resinao  mihitsy  . nahoana  no tsy mety resinao izany ?

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra. Amen !