MOFON’AINA ALATSINAINY 11 MAY 2020

1 Ny Fanahin’i Jehovah Tompo no ato amiko, Satria Jehovah efa nanosotra ahy hitory teny soa mahafaly amin’ny mpandefitra, efa naniraka Ahy hahasitrana* ny torotoro fo Izy, ary hitory fanafahana amin’ny babo sy hamoaka ny ao an-trano-maizina ho amin’ny mazava, [Hebreo: hamehy] 2. Hitory taona ankasitrahan’i Jehovah sy andro famalian’Andriamanitsika, hampionona ny malahelo rehetra, 3. Hanolotra ho an’ny malahelo ao Ziona, eny, hanome azy namama ho solon’ny lavenona, sy diloilo fifaliana ho solon’ny fahalahelovana, ary fitafiana fiderana ho solon’ny fanahy reradreraka, mba hanaovana azy hoe Hazon’ny fahamarinana, nambolen’i Jehovah ho fampisehoam-boninahitra. 4. Koa hatsangana ny efa rava hatry ny fony fahagola, ary hamboarina ny efa lao hatramin’ny fahiny, dia hohavaozina indray ny tanàna rava, Izay efa lao hatramin’ny taranaka lasa ela. 5. Ary ny vahiny honina ao ka hiandry ny ondry aman’osinareo, ary ny hafa firenena ho mpiasa tany sy ho mpamboatra tanim-boaloboka ho anareo, 6. Fa ianareo kosa no hatao hoe mpisoron’i Jehovah, Mpanao fanompoam-pivavahana ho an’Andriamanitsika no hilazana anareo ho lasanareo* ny haren’ny firenena, ary handimby voninahitra azy ianareo**. [*Hebreo: Hohaninareo, **Na: Ary ho reharehanareo sy voninahiny] 7. Ny henatrareo hosoloana avy roa heny, ary ny tondromaso hosoloana hoby amin’ny anjara-lovany; ary noho izany dia hahazo indroa heny ao amin’ny taniny izy, fifaliana mandrakizay no ho azy. 8. Fa Izaho Jehovah dia tia rariny; halako ny fandrombahana amin’ny faharatsiana; homeko ny valin’asany amin’ny fahamarinana izy, ary fanekena mandrakizay no hataoko aminy. [Na: Halako ny halatra atao fanatitra odorana] 9. Ny taranany ho fantatra any amin’ny jentilisa ary ny terany any amin’ny firenena; Izay rehetra mahita azy dia hahafantatra azy ho taranaka notahin’i Jehovah. 10. Hifaly dia hifaly amin’i Jehovah aho, ny fanahiko ho ravoravo amin’Andriamanitro; fa notafiany fitafiana famonjena aho, ary nakanjoiny akanjo fahamarinana, toy ny mpampakatra misatroka hamama tahaka ny mpisorona, ary toy ny ampakarina miravaka ny firàvany. 11. Fa tahaka ny tany mampitsimoka izay ao aminy, ary tahaka ny tanimboly mampaniry izay nafafy tao aminy, dia toy izany no hampisehoan’i Jehovah Tompo fahamarinana sy fiderana eo anatrehan’ny firenena rehetra.
ISAIA 61 : 1-11

NY FANAHY MASINA MANOSOTRA HITORY TENY SOA MAHAFALY

Ny Isaia 61 dia boky fahatelo amin’ny boky manontolo. Boky manambara fanantenana. Mampanantena famonjena sy fanafahana ny jiosy izay babo tany Babylona mantsy ny Tompo. Tantetaka io fampanantenana io rehefa resin’ny Persianina ny Ampira Babyloniana. Rehefa tonga nitondra izao tontolo izao Kyriosy mpanjaka dia namoaka didy hanafaka ny babo ka namerina azy ireo tany amin’ny taniny avy. Manambara mazava Isaia eto fa ao aminy ny Fanahin’Andriamanitra ka nanosotra azy hitory teny soa mahafaly. Izay manana ny Fanahy Masina dia

  1. Mpitory teny soa mahafaly

Eto dia mazava tsara fa mpitondra ny Tenin’Andriamanitra ny olona manana ny Fanahy Masina. Ny Tenin’Andriamanitra mantsy no teny soa mahafaly. Sady SOA no MAHAFALY. Soa sy mahafaly noho ilay teny manambara fanafahana amin’ny fahababoana ary mamerina indray any an-tanindrazana. Soa sy mahafaly satria teny mamelombelona ny fanantenana fa tsy ho mandrakizay ny fahababoana. Misy ny fanafahana amin’izany. Izany no mahatonga ilay teny soa mahafaly manasitrana ny torotoro fo. Manaisotra ny alahelo rehetra nateraky ny fahababoana.

Ry havana, ny Fanahy Masina dia manome teny soa mahafaly ny olona hitoerany. Teny sady tsara, soa sady mahafaly. Teny soa sy mahafaly toa izany mantsy no tena ilaintsika amin’ny fotoana ankehitriny. Teny mikendry fahasoavana sy fifaliana. Teny mampanantena fanafahana amin’izay endri-pahababoana mamatotra olona maro.

Be dia be ary tena mandreraka ny teny zarain’ny olona ankehitriny, teny ratsy ny an’ny sasany, ozona ny an’ny sasany, teny tsy voasaina sy teny tsy voalanjalanja ny an’ny sasany. Teny tsy mahasoa fa mahamenatra ny an’ny sasany. Diniho tsara ry havana sao tsy teny avy amin’ny Fanahy Masina matetika no ataontsika. Meteza arak’izany hotarihin’ny Fanahy Masina fa Izy hanome teny soa mahafaly ho antsika mandrakariva.

  1. Mpitondra vaovao mahafaly

Hoy ny DIEM « Ny Fanahin’ny TOMPO ANDRIANANAHARY no ato amiko, satria efa nanosotra ahy ny TOMPO ka naniraka ahy mba hitory ny Vaovao Mahafaly »

Ilay vaovao aloha dia tsy tokony hohadinoina fa Famonjen’Andriamanitra ny babo. Rehefa tao amin’ny Isaia ny Fanahy Masina dia zava-baovao tena mahafaly no noentiny teo amin’ny jiosy babo. Fotoana tena nilan’ny jiosy izany tokoa mantsy ny fotoan’ny fahababoana. Reraky ny fahababoana ny jiosy, nisy aza tamin’izy ireo namoifo. Ka vaovao mahafaly toa izao no namelona indray ny fanantenana tao amin’izy ireo.

Ry havana, marina fa tsy babo tany Babylona isika, tsy azontsika vinaniana izay mety ho fatran’ny fahoriana nahazo marina ny Jiosy. Azo heverina kosa anefa fa miaina ao anaty fotoan-tsarotra isika, mety ho mafy lavitra, mety ho mora kokoa noho ny fahababoana. Be dia be koa no mamoy fo, very fanahy mbola velona. Koa raha ao anatin’izany rehetra izany no tsy mba vaovao mahafaly, fa vaovao mandreraka, mahakivy, lainga sy ny fitaka, ny tsaho sns no miely sy homena antsika  dia tsy hay izay mety ho fahavoazana aterak’izany. Sady efa reraka sy kivy kanefa mbola fahanana zava-manahirana dia tena ho tonga amin’ilay fiteny hoe indroa mahita ny maizina.

Ao anatintsika kristianina ny Fanahy Masina, handeha hofenoina vaovao mahafaly ny manodidina antsika, tsy maninona mihitsy, handeha ho vontosana vaovao mahafaly izao rehetra izao.

Ho  an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra