MOFON’AINA ALATSINAINY 11 OKTOBRA 2021

1 Miderà an’ i Jehovah ry firenena rehetra; Miderà Azy, ry olona rehetra.2 Fa lehibe ny famindrampony amintsika; Ary mandrakizay ny fahamarinan’ i Jehovah. Haleloia.
SALAMO 117 :1-2

NY FIDERANA AN’ANDRIAMANITRA

1-Adidin’ny olona rehetra

« Miderà an’i Jehovah ry firenena rehetra. Miderà Azy ry olona rehetra » (and1). taomin’ny mpanao salamo ny « firenena rehetra » sy ny « olona rehetra » hidera an’Andriamanitra. Didiana mihitsy ny olona rehetra monina eto ambonin’ny tany hidera an’Andriamanitra, satria Jehovah no Tompon’ny tany rehetra, fa ny Israely no fanjakam-pisorona (Eks 19 :5,6). Ka na ny firenena Jentilisa aza dia tokony hidera an’Andriamanitra Tompon’ny tany satria monina ety ambonin’ny tany izy. Ary ny fiderana an’Andriamanitra tsara indrindra dia ny fanompoana Azy amin’ny alalan’ny finoana an’i Jesoa Kristy mandritry ny fotoana iainana ety ambonin’ny tany dia ny tany izay nomen’i Jehovah Andriamanitra azy .

2-Amin’ny fahatsarany

« Fa lehibe ny famindrampony amintsika, ary mandrakizay ny fahamarinan’i Jehovah.Haleloia » (and 2). Andriamanitra mamindra fo sy marina Jehovah. Manoloana ny fanompoan-tsampy sy ny fivadibadihan’ny vahoaka Israely miverimberina .Andriamanitra kosa mamindra fo sy marina mandrakizay. Ary ho tombotsoan’ny vahoaka no anton’ny famindrampon’Andriamanitra. Ny famindrampo sy ny fahamarinan’Andriamanitra dia mihoatra lavitra noho ny faharatsian’ny vahoaka amin’ny firenena ary izany no nanirahany an’i Jesoa Kristy tety an-tany hamonjy izao tontolo izao. Andriamanitra tsara, mpamindra fo, marina ka tokony hoderaina indrindra Jehovah.

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.