Mofon’aina – ALATSINAINY 11 SEPTAMBRA 2017

12 Ary tamin’ izany, raha nankany Damaskosy aho, nitondra fahefana sy teny izay efa azoko tamin’ ny lohan’ ny mpisorona,13 koa nony ilay nitatao-vovonana iny ny andro, ry mpanjaka ô, dia hitako teny an-dalana fa, indro, nisy mazava avy tany an-danitra nanelatrelatra manodidina ahy mbamin’ izay niaraka tamiko mihoatra noho ny famirapiratry ny masoandro.14 Ary rehefa lavo tamin’ ny tany izahay rehetra, dia nandre feo nilaza tamiko aho nanao tamin’ ny teny Hebreo hoe: Saoly Saoly, nahoana ianao no manenjika Ahy? Zavatra sarotra aminao ny hanipaka ny fanindronana.15 Dia hoy izaho: Iza moa Ianao, Tompoko? Ary hoy ny Tompo: Izaho no Jesoa Izay enjehinao.16 Fa mitsangàna, ka mijoroa amin’ ny tongotrao; fa izao no nisehoako taminao, dia ny hanendry anao ho mpanompo sy ho vavolombelona ny amin’ izay efa nahitanao Ahy sy izay hisehoako aminao,17 hamonjy anao amin’ ny olona Isiraely sy ny jentilisa, izay anirahako anao,18 hampahiratra ny masony hialany amin’ ny maizina ho amin’ ny mazava, ary amin’ ny fahefan’ i Satana ho amin’ Andriamanitra, mba hahazoany famelan-keloka sy lova eo amin’ izay nohamasinina noho ny finoana Ahy.
ASAN’NY APOSTOLY 26 :12-18

« MITSANGANA  KA MIJOROA  AMIN’NY TONGOTRAO  » (and 16)

1-Mialà  amin’ny endri-pahafatesana 

« Mitsangàna!… » (And 16a). Teny mibaiko  fahita   ao amin’ny Soaratra masina  sy fandrentsika  amin’ny fanirahana mpaminany  izany. Teny  teo am-bavan’ny  mpaminany izany. Teny   teo  am-bavan’i Jesoa rehefa  manasitrana  sy manangana ny maty (Mat  9 :25 ; Mar 5 :41) ka io fialana amin’ny fahafatesana io   no  hevitry ny hoe: mitsangana. Koa izay  manam-piniavana hijoro ho vavolombelona dia tsy maintsy ho olona vonona sy manam-piniavana hiala amin’ny endri-pahafatesana rehetra, na olona nesorina  tao amin’ny maizina  sy ny fahafatesana  ho amin’ny mazava  sy ny fiainana  (zahao  and 18). Tsy izay tsy mahafoy  ny toetra ratsy  fanaony  na tamana  amin’ny fomba amam-panao  mifanohitra  amin’ny maha-fiangonana sy maha-kristiana  no afaka hijoro  ho vavolombelon’ny  Tompo , fa olona  tena  mibebaka .

2-Aza  mety  hahilangilan’ny hevitra samihafa 

« Mijoroa amin’ny tongotrao ». Fomba  fiteny  itaomana ny olona hiatrika adidy izany. Ny hevitra eto  dia mizotra amin’ny hoe: Aza mety havily na ahilangilan’ny foto-kevitra samihafa. Ny Apostoly Paoly dia mpivavaka Jiosy  mafana fo. Rehefa asain’ny  Tompo « mijoro  amin’ny tongotra »dia taomina  hanadino  izany hevitra  sy foto-kevitra samihafa izany. Isika koa, raha tena hijoro  ho vavolombelona  dia aza mety  hahilangilan’ny fampianarana isankarazany  fa mijoroa  amin’ny tongotrao.

Fanontaniana:

Moa  afa-miaraka  ve ny fitiavam-bola sy voninahitra ary ny fahavononana hijoro ho vavolombelona ?

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra. Amen !