Mofon’aina – Alatsinainy 12 desambra 2016

1 Izaho no tena voaloboka, ary ny Raiko no mpamboatra.2 Ny sampany rehetra eo Amiko izay tsy mamoa dia esoriny; fa ny sampany rehetra izay mamoa kosa dia amboariny [Gr dioviny] , mba hamoa bebe kokoa.3 Efa madio rahateo ianareo noho ny teniko, izay nolazaiko taminareo.4 Tomoera Amiko ary Izaho aminareo. Tahaka ny sampany tsy mahay mamoa ho azy, raha tsy miray amin’ ny voaloboka izy, dia toy izany koa ianareo, raha tsy miray Amiko.5 Izaho no voaloboka, ianareo no sampany. Izay miray Amiko, ary Izaho aminy, dia mamoa be izy; fa raha misaraka Amiko kosa ianareo, dia tsy mahay manao na inona na inona.6 Raha misy tsy miray Amiko, dia ariana eny ivelany tahaka ny sampany izy ka malazo; ary angonina izy ka atsipy ao anaty afo, dia ho may.7 Raha miray Amiko ianareo, ka mitoetra ao anatinareo ny teniko, dia angataho izay tianareo na inona na inona, fa ho tonga aminareo izany.8 Izany no ankalazana ny Raiko, mba hamoazanareo be ka ho tonga mpianatro ianareo.
JAONA 15 :1-8

1-Izaho ny tena voaloboka (and 1)

Izany fanoharana izany no entin’i Jesoa nanambara ny tenany tamin’ny mpianany sy amintsika koa. Izy no foto-boaloboka : fototry ny fiainana sy anton’ny mbola ahavelomantsika. Izy no fototry ny fahombiazana amin’ny fahatanterahan’ny asa rehetra, ka tsy tokony hisy hirehareha amin’ny herin’ny tenany samirery. Tsy mahay mamoa ho azy isika , fa raha misy fitomboana sy fahavokarana dia i Jesoa no aoka hankalazaina .

2-Ianareo no sampany (and 5b)

Izay manana firaisana amin’ny foto-boaloboka ihany no handrobona tsara sady mamoa. Fa izay misaraka kosa dia halazo sy hariana any ivelany, ary hatsipy ao anaty afo ka ho may . Mety hisy koa anefa sampany eo Aminy izay tsy mamoa. Tahaka izany ireo olona izay mba tonga matetika any am-piangonana kanefa tsy mety mibebaka. Ny olona tsy mety miasa sy tsy manao adidy dia olona tsy manana firaisana marina amin’i Jesoa. Lasan-ko raviny fotsiny . Ireny dia hesorin’ny mpamboatra. Mila mamokatra be isika ka ho tonga mpianatr’i Jesoa (and8). Ny voa dia hita ety ivelany . Ny voa no mariky ny firaisana amin’ny foto-boaloboka. Ny olona tena manana firaisana amin’ny Tompo amin’ny alalan’ny vavaka sy ny fiainana ny Tenin’ Andriamanitra dia mampiseho toetra mifanaraka amin’izany ka tonga fantatry ny olona fa tena mpianatry ny Tompo, sady mahavita be tokoa amin’ny asany. Mbola manantena voa amiko sy aminao ny Ray.

Fanontaniana :

Azonao antoka ve fa manana firaisana marina amin’ny Tompo ianao ?

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.Amen !