Mofon’aina – ALATSINAINY 12 FEBROARY 2018

3 Raha manaraka ny lalàko sy mitandrina ny didiko ianareo ka mankatò izany,4 dia hanome anareo ranonorana amin’ ny fotoany Aho, ka hahavoka-javatra ny tany, ary hamoa ny hazo any an-tsaha.5 Ary ny taom-pivelezanareo dia ho tratry ny taom-piotazam-boaloboka, ary ny taom-piotazam-boaloboka dia ho tratry ny taom-pamafazana; dia hihinana ianareo ka ho voky, ary handry fahizay eo amin’ ny taninareo.6 Ary homeko fiadanana eo amin’ ny tany ianareo ka handry fahizay, ary tsy hisy hanaitaitra, fa hofongorako ny biby masiaka amin’ ny tany, ary tsy hotetezin-tsabatra ny taninareo.7 Dia hanenjika ny fahavalonareo ianareo, ka ho lavon-tsabatra eo anoloanareo izy.8 Ary ny dimy aminareo hanenjika ny zato, ary ny zato aminareo hanenjika ny iray alina; any ny fahavalonareo ho lavon-tsabatra eo anoloanareo.
LEVITIKOSY 26 :3-8

MITONDRA FITAHIANA  NY FANARAHANA NY LALANA

1.Mifidiana ny fiainana sy ny fitahiana

Mandrakariva  dia ny didy folo  ihany no heverin’ny  maro  ho làlan’ Andriamanitra . Ny  boky dimy  voalohany ao amin’ny Baiboly no lazaina hoe: bokin’ny lalàna. Rehefa nivoatra  ny hevitry ny teny  dia niantsoana ny Soratra Masina  amin ‘ny ankapobeny   ny lalàna. Noho izany   , ny and 3 eto  dia itaoman’ Andriamanitra  antsika  hahay  hisafidy  fitahiana. Rehefa  manaraka ny lalàna, dia hilatsaka   amin’ny tany  ny ranonorana, ho be ny vokatra, ho  zina  ny taona sns… (and 5). Teny  entina  milaza  fitahiana izany  ao amin’ny Baiboly. Mitahy   antsika ny Tompo  rehefa  mankato  isika. Tsy  fitahiana ho an’ny olona iray izany, fa tena  fitahiana ho an’ny firenena.

  1. Ho mpankato fa tsy ho mpihaino fotsiny

Voalaza eto koa ny fiadanana : « ary homeko  fiadanana  eo  amin’ny tany ianareo » (and 6). Ny fiadanana  dia teny   tokana  enti-milaza fandriampahalemana, fiainana, fahasalamana, fahafahampo  amin’ny soa  sy ny  tsara. Omena  hisitrahan’ny  mponina  eo  amin’ny tany   izany  rehefa  mihaino  sy mankato  ny olona. Tsy  fiadanana  hiainantsika  any  amin’ny fiainan-ko avy  no ampanantenaina  antsika rehefa mankato , fa eto  amin’ny tanintsika  dieny  ankehitriny  . Koa  ankatoavy sy araho  eo amin’ny fiainantsika  ny teny. Tsy ampy velively  ny fandrenesana fotsiny, fa hoy ny Soratra masina : « Aoka  ho mpankato  ny teny  ianareo  fa tsy ho mpihaino  fotsiny ihany   ». Ankatoavy  ny teny raha tiantsika hiadana isika eto amin’ny firenentsika.

Fanontaniana:

Moa  hainao  hazavaina  amin’ny lafin-kevitra iray ve  ny hoe: tena mitondra fiainana ny Tenin’ Andriamanitra ?

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra. Amen