Mofon’aina – ALATSINAINY 12 JONA 2017

1 Ary rehefa afaka izany, dia handatsaka ny Fanahiko amin’ ny nofo rehetra Aho; Dia haminany ny zanakalahinareo sy ny zanakavavinareo, ny lahiantitrareo hanonofy, ary ny zatovonareo hahita fahitana;2 Ary na dia ny mpanompolahy sy ny mpanompovavy aza dia handatsahako ny Fanahiko amin’ izany andro izany.
JOELA 3 :1-2

MAMPANANTENA  NY FANAHINY  NY TOMPO

Joela 3 no ahitantsika  fa  mampanantena  ny hiavian’ny Fanahy Masina eo amin’ny fiainan’ny olona  ny Tompo. Tsy mitoetra fotsiny fa miasa  manavao  ny olona izany Fanahy Masina izany.

1-Fanomezana  ho an’ny sokajin’olona rehetra 

Mampanantena  fiainam-pitahiana ho an’ny olona rehetra Andriamanitra . Mameno io fiainam-pitahiana io ny fandatsahany amin’ny nofo rehetra na amin’ny olona rehetra izany .Aharihary eto fa Andriamanitra fitiavana Izy. Tia ny olona rehetra. Ny sokajin’olona rehetra tsy ankanavaka noho izany no handatsahany ny Fanahiny. Tsy mba manavaka tokoa ny Tompo, asehony amin’ny fanomezana ny Fanahy Masina izany. Mitaona antsika mba hatoky Azy hatrany izany. Ny olona rehetra no tiany handray ny fiainam-pitahiana ,fiainam-pamonjena avy Aminy. Aoreno ao Aminy ny finoanao.

2-Mitarika ny olona hanompo an’ Andriamanitra

Rehefa mandray ny Fanahin’ Andriamanitra ny olona dia miova ny fiainany. Havaozin’ny Fanahy Masina ka tonga olom-baovao, manana fo vaovao sy fanahy vaovao. Tonga olona manana fifandraisana amin’ Andriamanitra, mahalala ny sitrapon’ Andriamanitra ka afaka milaza sy manambara izany amin’ny hafa.Araka izany ny fanomezana ny Fanahy Masina dia fanolorana fiainana vaovao ho an’ny mpino hahafahany miroso hatrany amin’ny fanompoana ny Tompo.

Fanontaniana:

Olona manao ahoana no afaka hanatanteraka ny asan’ Anddriamanitra?

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra. Amen !