MOFON’AINA ALATSINAINY 13 JANOARY 2020

10 Ary nampianatra tao amin’ny synagoga anankiray Jesoa tamin’ny Sabata. 11 Ary, indro, nisy vehivavy izay nanana fanahy mahafarofy valo ambin’ny folo taona, ary nanjoko izy ka tsy nahatraka akory. 12 Ary rehefa nahita azy Jesosy, dia niantso azy ka nanao taminy hoe: Ravehivavy, afaka amin’ny rofinao ianao. 13 Dia nametraka ny tànany taminy Izy; ary niaraka tamin’izay dia nitraka ravehivavy sady nankalaza an’Andriamanitra.
LIOKA 13 : 10-13

JESOA KRISTY MANASITRANA NY ARETINA MAMATOTRA AMAN-TAONANY

Vehivavy nositranin’i Jesoa tamin’ny fanahy maha-farofy nandritry ny 18 taona no mofonaina androany. Rehefa nampianatra tao amin’ny synagoga Jesoa dia nahita ity vehivavy ka niantso azy ary nametra-tànana taminy ary nanasitrana azy tanteraka. Izao fanasitranana izao dia nialohavan’ny fampianaran’i Jesoa ny tenin’Andriamanitra. midika izany fa tsy misy asan’Andriamanitra azo tanterahina raha tsy misy fanambarana ny tenin’Andriamanitra. Ireto no hafatry ny tenin’Andriamanitra

  1. Mety manana olana mamatotra an-taonany maro isika ka manapaka ny fifandraisana amin’Andriamanitra izany (and 10-12a)

« Ary, indro, nisy vehivavy izay nanana fanahy mahafarofy valo ambin’ny folo taona, ary nanjoko izy ka tsy nahatraka akory »

Vehivavy manana fanahy maha-farofy nandritry ny taona maro no ambaran’i Lioka eto. Ny filazana ny taona nananan’ity vehivavy ity ny fanahy maha-farofy dia ho enti-milaza amintsika mpamaky fa namatotra azy an-taona maro ny aretina. Ny tena manahirana dia ny mahita fa ity aretina mahazo azy dia tena nisy fiatraikany teo amin’ny vatany (nanjoko izy) sy teo amin’ny fanahiny (tsy nahatraka akory). Ny hoe tsy mahatraka dia ho enti-milaza olona iray tsy afaka miandrandra akory mijery ny lanitra, izay midika fahatapahan’ny fifandraisana amin’Andriamanitra. Ilay aretina mahazo azy arak’izao dia tena manapaka ny fifandraisany amin’Andriamanitra. Amin’ny maha-olombelona antsika dia mety manana zavatra maro mamatotra antsika isika, mamatotra antsika ka mahatonga antsika tsy mahatraka akory, ary indrindra manapaka ny fifandraisantsika amin’Andriamanitra. zavatra mety misy izany ka tsy natao hahagaga.

  1. Na iza na iza manatona fiangonana dia matokia – mahereza fa hitan’i Jesoa izay mahazo sy mamatotra azy (and 12)

« Ary rehefa nahita azy Jesoa »

Ambaran’ny Soratra Masina eto fa hitan’i Jesoa ity vehivavy farofy ity. Tsy dia ilay vehivavy loatra anefa no tian’ny Soratra Masina ambara fa ilay zava-mahazo sy manjo azy no hitan’i Jesoa. Tsy misy miafina amin’i Jesoa arak’izao izay zava-manjo ny olona manatona fiangonana, miharihary eo anatrehan’i Jesoa avokoa ny zavatra rehetra mahazo sy mamatotra ny olona manatona ny fiangonana. Tsy mahagaga izany satria Andriamanitra miara-monina amin’ny olona Jesoa, koa satria miara-monina amin’ny olona dia mahatsapa sy mahita ny mahazo sy manjo ny olona. Mahita hatramin’izay mamatotra ny olona. Fampaherezaa lehibe ho antsika izany, isika, izay miezaka manatona fiangonana noho ny olana samihafa mahazo sy mamatotra. Fampaherezana satria manamaivana ny vesatry ny zava-manjo antsika ny fahafantarana fa hitan’i Jesoa avokoa ny mahazo antsika.

  1. Jesoa mamaha ny olana mamatotra (and 12,13)

« Ary rehefa nahita azy Jesoa, dia niantso azy ka nanao taminy hoe: Ravehivavy, afaka amin’ny rofinao ianao. 13 Dia nametraka ny tànany taminy Izy; ary niaraka tamin’izay dia nitraka ravehivavy »

Rehefa nahita ny rofin’ity vehivavy Jesoa dia nanapa-kevitra hanasitrana azy. Raha ny marina tsy fanapahan-kevitr’ilay vehivavy ny hiala amin’ny rofy fa fanapahan-kevitr’i Jesoa. Tsy misy mihitsy filazana eto amin’ny tantara hoe nangataka hositranina ravehivavy. Avy hatrany dia nanasitrana Jesoa. Andriamanitra manana fahefana amin’izao rehetra izao Jesoa ka tsy voatery miera amin’ny olona vao mandray fanapahan-kevitra, indrindra ho amin’izay mahasoa azy. Fepetra telo no tsy maintsy nofenoina teto ka nahasitrana ity vehivavy

– Famaliana ny antson’i Jesoa : niantso Jesoa dia mila manatona ilay vehivavy. Ny hoe Jesoa miantso dia mitaona an-dravehivavy hanatona Azy, izany hoe hanafoana ny elanelana misy eo Aminy sy ilay vehivavy. Matoa mantsy miantso dia misy elanelana izay. Mila ravana arak’izao ny elanelana eo amin’ny Jesoa sy ilay vehivavy

– Fandrenesana ny tenin’Andriamanitra : rehefa avy niantso Jesoa dia niteny hoe : ravehivavy, afaka amin’ny rofinao ianao. Tsy misy fanasitranana azo antenaina raha tsy eo ny herin’ny tenin’Andriamanitra. Ny tenin’Andriamanitra dia manampy be dia be handresena ny zava-manahirana mamatotra rehetra.

– Fifandraisana mivantana : rehefa avy niteny Jesoa dia nametra-tànana. Ilay fametrahan-tànana dia ho enti-milaza fifandraisana mivantana eo amin’i Jesoa sy ilay vehivavy. Raha mbola tsy tonga amin’ny fifandraisana mivantana sy fifandraisana velona a min’i Jesoa ny olona tsy haharesy izay zava-manahirana mamatotra azMila fenoina ireo fepetra telo ireo raha tiana ny handray fanasitranana marina avy amin’ny Tompo.

  1. Izay sitrana dia manana adidy hankalaza an’Andriamanitra (and 13b)

« ary niaraka tamin’izay dia nitraka ravehivavy sady nankalaza an’Andriamanitra»

Fanontaniana mipetraka mandrakariva ny hoe : rehefa manasitrana sy mamaha olana ny Tompo, inona no zava-miandry izay sitrana sy afaka tamin’ny olana ? Izao andininy izao dia mamaly izany fanontaniana izany. Manana adidy hankalaza an’Andriamanitra. ilay fihaonana tamin’i Jesoa dia namerina indray ny fifandra isan’ity vehivavy ity tamin’Andriamanitra. satria rehefa nitraka izy, izany hoe afaka nijery an’Andriamanitra dia fankalazana an’Andriamanitra no nataony voalohany. Izany fankalazana izany dia nataony tao amin’ny synagoga fa tsy ivelan’ny synagoga, avy hatrany dia nankalaza izy. Adidin’izay nihaona marina tamin’i Jesoa ka afaka mifandray tsara amin’Andrimanitra ny mankalaza Azy, ary adidy tsy maintsy ataony ao amin’ny fiangonana izany.

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.