MOFON’AINA ALATSINAINY 13 SEPTAMBRA 2021

1 Inona ary no holazaintsika? Mbola hitoetra amin’ ny ota ihany va isika hitomboan’ ny fahasoavana? 2 Sanatria izany! Hataontsika izay efa maty ny amin’ ny ota ahoana no ho velona aminy ihany? 3 Tsy fantatrareo va fa na iza na iza isika no efa natao batisa ho amin’ i Kristy Jesoa dia natao batisa ho amin’ ny fahafatesany? 4 Koa niara-nalevina taminy tamin’ ny batisa ho amin’ ny fahafatesana isika, mba ho tahaka ny nananganana an’ i Kristy tamin’ ny maty tamin’ ny voninahitry ny Ray no handehanantsika kosa amin’ ny fiainam-baovao. 5 Fa raha nampiraisina taminy tamin’ ny endriky ny fahafatesany isika, dia ho tahaka izany koa amin’ ny fitsanganany; 6 fa fantatsika fa ny toetsika taloha dia niaraka nohomboana taminy hanimbana ny tenan’ ny ota, mba tsy hanompoantsika ny ota intsony. 7 Fa izay efa maty dia afaka amin’ ny ota.
ROMANA 6 :1-7

TSY MANAN-DRAHARAHA AMIN’NY FAHOTANA NY VITA BATISA

Ny fotom-pampianaran’iPaoly momba ny fanamarinana maimaimpoana ny mino dia azo lazaina fa arakaraky ny fialan’ny fahotana no tsy maintsy hisiana sy hanamafisn’ny fahasoavana koa izay hiasa sy hanasoa ny mino . Raha izany àry, tokony mety izany ny miaina hatrany ao anatin’ny fahotana ? Tsia avy hatrany no valiny . Tsy azo ekena mihitsy izany , araka ny fampianaran’i Paoly .Nilaza mantsy izy fa miainga amin’ny fifandraisan’ny mpino amin’i Kristy amin’ny alalan’ny batisa izay nampiasana ireto fihetsika telo ireto mba hantanterahana izany :

1-Ny fanitrihana anaty rano

2-Ny fiarahana nilevina tamin’i Jesoa tao anaty rano izany hoe: efa maty ao anaty rano ny olona

3-Kanefa afaka natsangana amin’ny maty niaraka taminy indray kosa

Araka izany ny fanaovana batisa dia mariky ny fiarahana maty taminy mihitsy, izany hoe : na iza na iza olona efa natao batisa dia efa nanaiky ho faty amin’ny fahotany, ka tsy manana anjara amin’ny fahotana intsony izy. Efa maty niaraka tamin’ny nandevenana Azy mantsy izany, nefa koa tsy mijanona eo fotsiny fa manana anjara amin’ny fitsanganan’ny tena amin’ny maty indray koa ka omeny izay nanaiky niara-maty taminy. Tsy mety intsony araka izany ny mivelona ao amin’ny fahotana indray, satria efa novonoina tamin’ny alalan’i Jesoa tamin’ny nahafatesany izany ho an’izay rehetra efa natao batisa.

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.