Mofon’aina – ALATSINAINY 14 MAI 2018

1 Kanefa, masìna ianao, ry Joba; mihainoa ny alahatro, ary mandrenesa ny teniko rehetra.2 Indro, fa efa niloa-bava aho, Miteny ato am-bavako ny lelako.3 Ny hitsim-poko no hiseho amin’ ny teniko; Ary ny fahalalan’ ny molotro no holazaina tsy hasiana fitaka.4 Ny Fanahin’ Andriamanitra no efa nanao ahy, ary ny fofonain’ ny Tsitoha no mamelona ahy.5 Raha hainao, valio ary aho, miomàna ianao, ka miatreha tsara.6 Indro, izaho koa mba an’ Andriamanitra: tahaka anao ihany; Eny, izaho koa mba nosombinana avy tamin’ ny tanimanga.7 Indro, ny fampahatahorako tsy dia hampahatahotra anao, ary ny vesatra avy amiko tsy dia hitambesatra aminao.
JOBA 33 :1-7

SAROBIDY  NY NAMANA TARIHIN’NY FANAHY  MASINA

1-Manana fahendrena miavaka 

Teo anatrehan’ny  vina nihatra  tamin’i Joba  dia niezaka nampahery  azy i Bildada sy Elifaza ary Zofara. Nivoatra ho fifandresen-dahatra  teo  amin’izy  telo lahy  sy i Joba izany .Hatreo amin’ny toko  faha- iraika ambin’ny telopolo dia izy efa-dahy  no niandahatra. Rehefa afa-po tamin’ny fitenenana ireo  zokiolona ireo  dia izay  vao nanapa-kevitra  hiteny kosa i Eliho. Nanamarika izy  fa tsy  miankina amin’ny taona ny fahendrena fa miankina  amin’ny fanekena ny  fitarihan’ny Fanahy Masina (32 :7-8). Voasoratra hoe: « ny fanahy izay ao anatin’ny zanak’olombelona sy ny fofonain’ny Tsitoha no mahahendry azy ». Mivantana kokoa  ny andininy fahasivy  manao hoe: « tsy dia ny fahalehibiazana no mahahendry , ary tsy dia ny fahanterana no  hahalalana ny rariny ».

2-Manitsy mananatra :

« ny  hitsimpoko  no hiseho  amin’ny teniko…holazaina  tsy  asiana fitaka »(and 3). Nambaran’i Eliho fa tsy  mety ny manome tsiny an’ Andriamanitra (and 13). Tsy  misalasala izy  manambara  ny fahambonian’ny Tompo (and12). Ilaina ny  miteny  amin’ny hitsiny tsy  misy fitaka, araka ny voasoratra hoe:« ao ny  andro anginana ary ao  ny  andro itenenana » (Mpito 3 :7b). Ilaina ny fahasahiana miteny sy mananatra amin’ny fotoana mety .

Fanontaniana:

Ahoana no ahafantarana ny tena namana?

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra. Amen !