MOFON’AINA ALATSINAINY 15 APRILY 2019

22 Ary Jesosy nandeha nitety ny tanàna sy ny vohitra nampianatra sady nandroso hankany Jerosalema. 23 Dia hoy ny anankiray taminy: Tompoko, moa vitsy va no hovonjena? Ary hoy Izy tamin’ny olona: 24 Miseseha hiditra amin’ny varavarana èty hianareo; fa hoy Izaho aminareo: Maro no hitady hiditra, fa tsy ho afaka. 25 Rehefa mitsangana ny tompon-trano ka manidy ny varavarana, ary hianareo mijanona eo ala-trano mandòndòna ny varavarana ka manao hoe: Tompoko, vohay izahay, dia hamaly Izy ka hanao aminareo hoe: Tsy fantatro na avy taiza na avy taiza hianareo; 26 ary amin’izay hianareo dia hanao hoe: Nihinana sy nisotro teo anatrehanao izahay, ary nampianatra teny an-dalambenay Hianao. 27 Fa Izy hiteny hoe: Lazaiko aminareo: Tsy fantatro na avy taiza na avy taiza hianareo; mialà amiko, hianareo rehetra mpanao meloka. 28 Any no hisy ny fitomaniana sy ny fikitrohan-nify, raha mahita an’i Abrahama sy Isaka sy Jakoba ary ny mpaminany rehetra eo amin’ny fanjakan’Andriamanitra hianareo, fa ny tenanareo kosa dia voaroaka any ivelany. 29 Ary ho tonga avy any atsinanana sy avy any andrefana ary avy any avaratra sy avy any atsimo ireny ka hipetraka hihinana eo amin’ny fanjakan’Andriamanitra. 30 Ary, indro, misy ny aoriana ho aloha, ary misy ny aloha ho aoriana.
LIOKA 13 : 22-30

IZA NO HIPETRAKA HIHINANA EO AMIN’NY FANJAKAN’ANDRIAMANITRA?

Eo amin’ny and 29 Jesoa Kristy dia miteny fa hisy olona avy amin’ny vazan-tany efatra ho tonga hipetraka ary hihinana ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra. Tsy manome isa mazava Jesoa ary tsy fantatra na ho maro izy ireo na tsia. Azo fantarina kosa anefa hoe iza no afa-hipetraka eo hiara-mihinana Aminy.

  1. Izay misisika miditra ety an-tany (and 24)

« Miseseha hiditra amin’ny varavarana èty hianareo; fa hoy Izaho aminareo: Maro no hitady hiditra, fa tsy ho afaka »

Ety amin’izao tontolo izao ary amin’ny fotoana ankehitriny no fomba hidirana amin’ny fanjakan’Andriamanitra. Hety sy tery izany vavahady izany fa tsy mikodana toy ny mankany amin’ny fahaverezana. Izay tafiditra amin’ny vavahady ankehitriny no ho azo antoka fa ho tafiditra amin’ny vavahady ihany koa rahatrizay. Tsy tokony hadinoina fa Jesoa no vavahady araka ny fampianaran’i Jaona Apostoly. Izay miditra ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra amin’ny alalany no ho tafiditra ao. Izay miditra amin’ny vavahady hafa dia tena azo antoka fa tsy ho tafiditra velively ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra. Diso lalana rahateo izy. Mazava izay ambaran’i Jesoa hoe: « Izaho no LALANA sy fahamarinana ary fiainana. Tsy misy mankany amin’ny Ray (fanjakan’Andriamanitra) raha tsy amin’ny alalako » (Jao 14. 6). Rehefa tafiditra amin’ny fifandraisana velona amin’i Jesoa Kristy isika dia azo antoka ny hidirantsika ao amin’ny fiainana mandrakizay ka hiara-hihinana amin’i Jesoa Kristy.

  1. Izay afaka tamin’ny heloka (and 27)

« Fa Izy hiteny hoe: Lazaiko aminareo: Tsy fantatro na avy taiza na avy taiza hianareo; mialà amiko, hianareo rehetra mpanao meloka »

Any amin’ny dikanteny hafa amin’ny Baiboly sasatsany dia tsy mpanao meloka no lazainy any fa MPAMOKATRA HELOKA. Anisan’ny tsy nahatafiditra azy tao amin’ny vavahady ny helok’ireo mpandondona. Nasaina niala izy ireo satria mpanao heloka, mpamokatra heloka, mpanamboatra heloka. Rehefa mbola tavela amin’izany toerana izany ny olona iray dia tsy hahalala azy Jesoa rahatrizay. Ary tsy vitan’ny hoe tsy hainy fa tena roahany mihitsy hiala eo Aminy. Tsy ho afaka hiditra amin’ny fanjakan’Andriamanitra araka izao izay mbola vesaran’ny heloka. Ny fanjakan’Andriamanitra araka izao dia natokana ho an’ireo izay efa nodiovin’i Jesoa Kristy tamin’ny ràny. Izay nandray Azy marina ho Tompo sy Mpamonjy. Raha te hiditra ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra isika dia tsotra, ny an’i Jesoa efa vitany ny anjarany, efa natolony ny ràny hanadio antsika ho afaka amin’ny tsy fahamarinana rehetra. Anjarantsika sisa na hanaiky ho dioviny na tsia.

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra. Amen !