Mofon’aina – ALATSINAINY 15 JANOARY 2018

27 Nahoana no miteny ianao, ry Jakoba ô, ary milaza hianao, ry Isiraely ô, hoe: Miafina tsy hitan’ i Jehovah ny lalako, ary mihelina tsy hitan’ Andriamanitro ny rariny tokony ho ahy?28 Tsy fantatrao va? Tsy efa renao va fa Andriamanitra mandrakizay Jehovah, izay namorona ny faran’ ny tany? Tsy mba mety ho reraka na sasatra Izy; Tsy takatry ny saina ny fahalalany.29 Mampahatanjaka ny reraka Izy, ary izay kely hery dia omeny hery be.30 Na dia ny tanora fanahy aza dia ho reraka sy ho sasatra, ary na dia ny zatovo aza dia mety ho tafintohina mafy;31 Fa izay miandry an’ i Jehovah dia mandroso hery kosa; Elatra no hiakarany tahaka ny voromahery; Hihazakazaka izy, nefa tsy ho sasatra; Handeha izy, nefa tsy ho reraka.
ISAIA 40 :27-31

ANDRIAMANITRA  MANDRAKIZAY  NY  TOMPONTSIKA

Toetran’ Andriamanitra  ny « mandrakizay » : Andriamanitra  mandrakizay i Jehovah  (and 28). Andriamanitra  tsy miova  no dikan’izany, ary  tsy voaovan’ny fotoana  ny toetrany. Tsy  miova Izy ka mahazo  antoka  izay  mitoky Aminy.

1-Hanome fanantenana  antsika Izy 

« Izay  miandry  an’i Jehovah  dia  handroso hery kosa » (and 31). Nomena  antsika matetika  teto  fa mitovy  hevitra ny miandry  sy manantena  ao  amin’ny Soratra Masina. Noho  ny  toetran’ Andriamanitra  tsy  miova. Andriamanitra mandrakizay  dia azo antenaina Izy. Koa  raha  nanao  zavatra  ny ho avy. Raha  nanafaka  ny vahoaka  Izy tany  Egypta  dia hanafaka  ny fiangonana  sy ny vahoaka  Izy  tany  Egypta  dia hanafaka  ny fiangonana sy ny vahoaka Izy tany Egypta  gejaina sy ampahoriana  koa Izy  ankehitriny  sy amin’ny ho avy  . Izany  no fanantenantsika ka hiandry  Azy isika. Ny nanomezan’i Jesoa  antsika  fiainana, tamin’ny nandreseny  ny  fahafatesana  sy ny   fiainan-tsiny  no tendron’izany  fanantenantsika izany

2-Hanome hery  sy tanjaka  ho  antsika Izy .

« Elatra  no hiakarany  tahaka  ny an’ny voromahery » (and 31b). Mitaona  antsika tahaka  sary  an-tsaina ny fiainan’ny voromahery  ka  tsy  afa-manidina  ary  tsy afa-nihetsika. Tsy maintsy  miandry  fotoana hanirian’ny volon’elany vaovao  indray izy, ka  amin’izay  dia hanan-kery sy tanjaka  tsy hay fefena (and 31b). Toy  izany  ny fiainan’izay miandry  sy manantena an’Ilay  Andriamanitra  mandrakizay, tsy miova. Tsy  iza izany  fa  i Jesoa Kristy  (Heb 13 :8).

Fanontaniana:

Moa ananana fanantenana ve izay  manan-toetra miovaova?

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra. Amen !