MOFON’AINA ALATSINAINY 15 OKTOBRA 2018

7 Anaka, aza avela hisy hamitaka anareo: izay manao ny marina no marina; eny, marina tahaka Azy.8 Izay manota dia avy amin’ ny devoly, satria ny devoly manota hatramin’ ny voalohany. Izao no nisehoan’ ny Zanak’ Andriamanitra, dia ny handrava ny asan’ ny devoly.9 Izay rehetra naterak’ Andriamanitra no tsy manota, satria ny voany mitoetra ao anatiny, ary tsy mahay manota izy, satria naterak’ Andriamanitra.10 Izany no mampiseho miharihary izay Zanak’ Andriamanitra sy izay zanaky ny devoly. Tsy mba avy amin’ Andriamanitra izay rehetra tsy manao ny marina sy izay tsy tia ny rahalahiny.11 Fa izao no teny nampitondraina izay efa renareo hatramin’ ny voalohany: tsy maintsy mifankatia isika,-12 tsy mba tahaka an’ i Kaina, izay avy tamin’ ilay ratsy ka namono ny rahalahiny. Ary nahoana no namono azy izy? Satria ratsy ny asany, fa marina ny an’ ny rahalahiny.
I JAONA 3 : 7-12

NY ZANAK’ ANDRIAMANITRA

1- Tsy mahay manota

Ampahafantarina ny mpino kristiana fa zanak’ Andriamanitra noho ny fitiavana nasehon’Andriamanitra tao amin’i .lesoa Kristy mamonjy izao tontolo izao. Jesoa Kristy no nandrava ny asan’ny devoly izay namatotra ny olona. Ny devoly izay nitarika ny hanota, hikomy amin’Andriamanitra ka mahatonga ny olona handainga sy ny hanao ny tsy fahamarinana. Jesoa Kristy no nanafaka ny olona tamin’ny fatoran’ny fahotana rehefa nandresy ny fahafatesana ka nitsangana tamin’ny maty. Rava ny asan’ ny devoly. Nandresy ny Tompo ho fandresena ho an’ny mino Azy. Noho izany izay mandray ny famonjena mpandresy toa Azy ka tsy mahay manota intsony.

2- Mitia ny namana

Endriky ny fahotana nampidirin’i satana teto amin’izao tontolo izao ny fankahalahana, ny tsy fitiavana ny namana. Tafalatsaka tamin’izany i Kaina izay namono an’i Abela rahalahiny. Nampianatra ny mpianatra noho izany i Jesoa Kristy fa ny fiainana ny fitiavana, ny fifankatiavana no mampiavaka ny tena mpianany. Mazava tsara ny toromarika eto fa « tsy maintsy mifankatia » ny mpanaradia Azy. Ny fahafatesana teo amin’ny hazo fijaliana ilay fanehoam-pitiavana miavaka no mandrava ny fifandrafiana eo amin’ny zanak’olombelona. Manana adidy tsy maintsy mitia ny hafa noho izany ny mpino kristiana. Notiavin’ Andriamanitra ianao ka mahaiza mitia ny hafa.

Fanontaniana :
Nahoana no mbola mahazo toerana eo amin’ny fiainan’ny fiaraha-monina ny fifankahalana, ny ady lahy, ny fifandirana ?

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.