Mofon’aina – ALATSINAINY 16 APRILY 2018

1 Inona ary no holazaintsika? Mbola hitoetra amin’ ny ota ihany va isika hitomboan’ ny fahasoavana?2 Sanatria izany! Hataontsika izay efa maty ny amin’ ny ota ahoana no ho velona aminy ihany?3 Tsy fantatrareo va fa na iza na iza isika no efa natao batisa ho amin’ i Kristy Jesoa dia natao batisa ho amin’ ny fahafatesany?4 Koa niara-nalevina taminy tamin’ ny batisa ho amin’ ny fahafatesana isika, mba ho tahaka ny nananganana an’ i Kristy tamin’ ny maty tamin’ ny voninahitry ny Ray no handehanantsika kosa amin’ ny fiainam-baovao.5 Fa raha nampiraisina taminy tamin’ ny endriky ny fahafatesany isika, dia ho tahaka izany koa amin’ ny fitsanganany;6 fa fantatsika fa ny toetsika taloha dia niaraka nohomboana taminy hanimbana ny tenan’ ny ota, mba tsy hanompoantsika ny ota intsony.7 Fa izay efa maty dia afaka amin’ ny ota.8 Ary raha niara-maty tamin’ i Kristy isika, dia mino fa hiara-belona aminy koa isika;9 ary fantatsika fa rehefa nitsangana tamin’ ny maty Kristy, dia tsy maty intsony Izy; tsy manan-kery aminy intsony ny fahafatesana.10 Fa ny amin’ ny nahafatesany, dia maty ny amin’ ny ota indray mandeha Izy; fa ny amin’ ny ahavelomany kosa, dia velona ho an’ Andriamanitra Izy.11 Ary aoka ho tahaka izany koa hianareo, ka ny tenanareo dia ataovy ho efa maty ny amin’ ny ota, fa velona ho an’ Andriamanitra ao amin’ i Kristy Jesoa.12 Koa aza avela ny ota hanjaka amin’ ny tenanareo mety maty hanarahanareo ny filany;13 ary aza manolotra ny momba ny tenanareo ho amin’ ny ota ho fiadian’ ny tsi-fahamarinana; fa atolory ny tenanareo ho an’ Andriamanitra, toy ny efa maty nefa velona, ary ny momba ny tenanareo ho fiadian’ ny fahamarinana ho an’ Andriamanitra.14 Fa ny ota tsy hanan-kery aminareo; fa tsy mba ambanin’ ny lalàna hianareo, fa ambanin’ ny fahasoavana.
ROMANA 6 :1-14

« …ka ny  tenanareo  dia ataovy  ho efa  maty  ny  amin’ny ota   fa velona  ho an’ Andriamanitra  ao  amin’i Kristy  » and 11

NY  FIASAN’NY  FAHASOAVAN’I KRISTY  EO  AMIN’NY  MPINO  DIA :

1-Mamono ny fahotana (and 6)

Raha ampiharina ara-bakiteny   ny hoe: « fahafatesana  no  tambin’ny ota » dia efa   maty  tokoa   isika rehetra. Fa  ny fahasoavana  no manafaka   antsika  amin’ny herin’ny ota  sy ny fahafatesana   ka mbola velonaina  isika. Izany  hoe: mahery  noho ny  herin’ny ota   ny  herin’ny fahasoavana  ka  tsy  maty  avy  hatrany  isika  fa ny ota  ao anatintsika  no vonoin’ny herin’ny   fahasoavana . Tsy  vitan’ny herin’ny tenantsika irery  , araka  izany  ny  mamono  ny fahotana , fa tsy  maintsy  manaiky  hiasan’i Kristy isika .

2-Mamelona  ny  fiainana  ao  amin’i Kristy  (and 8-10)

Ny  fahavelomantsika  dia vidin’ny fahasoavan’i Kristy   ka ny  segondra   sy  minitra  ary ny ora iainantsika  dia sandan’ny ain’i Jesoa Kristy  maty teo  amin’ny hazo fijaliana avokoa. Araka izany, dia  ny   ho  velona ho  an’  Andriamanitra  no tokony   hosetriny  havalintsika izany . Aza manaiky  ho  resin’ny  ota intsony  isika kristiana satria  efa mino  ny fahasoavana  ao  amin’i Kristy. Fiainana  tsara   sy vaovao  no iainan’ny  mpino, miaraka amin’i Kristy .

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra. Amen !