MOFON’AINA ALATSINAINY 16 MARTSA 2020

21 Manangàna famantaran-dàlana ho anao ianao, Manorena tsangam-bato; Saino tsara ny làlana efa voavoatra, Dia ilay làlana efa nalehanao; Miverena indray, ry Isiraely virjina, Miverena indray ho amin’ireto tanànanao ireto. 22 Mandra-pahoviana no hirioriovanao, Ry zanakavavy mpiodina? Fa Jehovah efa namorona zava-baovao amin’ny tany: Vehivavy no hanodidina lehilahy. 23 Izao no lazain’i Jehovah, Tompon’ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Mbola holazaina indray ao amin’ny tanin’ny Joda sy ao amin’ny tanànany izao teny izao, raha hampodiako avy amin’ny fahababoana izy: Hotahin’i Jehovah anie ianao, ry fonenan’ny fahamarinana sy ry tendrombohitry ny fahamasinana! 24 Ary ny Joda sy ny tanànany rehetra dia hiara-monina ao aminy Ho mpiasa tany sy ho mpilasy mitondra ny andian-ondry aman-osiny. 25 Fa ny fanahy ana dia hampisotroiko, Ary ny fanahy mihaosa rehetra dia hovokisako.
JEREMIA 31 : 21-25

ANDRIAMANITRA MAMERINA NY OLONY AO AMINY

Anisan’ny zavatra tena mafy tamin’ny Jiosy ny fahababoana. Namotika zavatra maro teo amin’ny fiainan’ny firenena mihitsy izany. Rava ny maha-firenena azy, very ny hasina maha-firenena azy. Izany rehetra izany dia vokatry ny nahafoizan’ny Jiosy an’Andriamanitra. Rehefa miala amin’Andriamanitra tokoa na iza na iza dia faharavana mandrakariva no iafaran’izany. Fa Andriamanitra fitiavana koa anefa ny Tompo. Izy ihany no mamerina ny olona Aminy. Rehefa averin’Andriamanitra Aminy ny olona dia

  1. Esoriny amin’izay mampahory azy (and 23)

« hampodiako avy amin’ny fahababoana izy »

Tsy manana hery hanalana tena amin’ny fahababoana ny Jiosy. Atody miady amam-bato izy raha mitaha amin’ny fanjakana Babyloniana nambabo azy. Ary raha ny marina noho ny paikady nataon’ny Babyloniana dia ho sarotra amin’ny Jiosy babo ny hiady amin’ny mpambabo azy noho izy ireo naparitaky ny Babyloniana tamin’ny toerana samihafa. Eto amin’izao mofonaina izao anefa dia ambaran’ny Tompo fa Izy no hampody azy ireo amin’ny fahababoana. Izany hoe hanala azy ireo amin’ny fahoriana noho ny fahababoana. Andriamanitra tsy mahazaka ny fahorian’ny olony ny Tompo ka manaisotra azy ireo amin’izany. Na inona na inona endriky ny fahababoana izay mampahory antsika kristianina, tsarovy fa efa nirahin’Andriamanitra Jesoa hanaisotra antsika amin’izany. Andriamanitra tsy mahazaka mahita ny fahorian’ny olona Jesoa.

  1. Mitahy azy ny Tompo (and 25)

« Fa ny fanahy ana dia hampisotroiko, Ary ny fanahy mihaosa rehetra dia hovokisako »

Rehefa tafaverina avy amin’ny fahababoana ny Jiosy dia mampanantena fitahiana ho azy Andriamanitra. Fitahiana izay hitahian’Andriamanitra azy eo amin’ny tany izay nomeny azy. Mandreraka ny fanahy ny fahababoana, ny filazana hoe reraka am-panahy dia tena ho enti-milaza fahoriana lalim-paka. Hotahian’ny Tompo izy ireo, ka ilay fanahy reraka sy osa mihitsy no hisitraka izany fitahian’Andriamanitra izany voalohany. Tsy vitan’ny hoe manaisotra amin’ny fahoriana fotsiny ny Tompo fa tena manome toky fa hitahy, ary fitahiam-panahy no omen’ny Tompo ireto olony.

Tamin’ny alalan’i Jesoa Kristy no nitahian’Andriamanitra izao tontolo izao. Koa na iza na iza te hisitraka izany fitahian’Andriamanitra izany dia mila miverina ao amin’Andriamanitra amin’ny alalan’i Jesoa Kristy izy. Raha tsy ao amin’i Jesoa mantsy dia ho sarotra ny hisitraka ny fitahian’Andriamanitra rehetra.

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.