Mofon’aina – ALATSINAINY 16 OKTOBRA 2017

14 Dia noraisin’ i Hezekia tamin’ ny tànan’ ny iraka ny taratasy ka novakiny, dia niakatra nankao an-tranon’ i Jehovah izy ka namelatra iny teo anatrehan’ i Jehovah.15 Ary Hezekia nivavaka teo anatrehan’ i Jehovah nanao hoe: Ry Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely ô, Izay mipetraka amin’ ny kerobima, Ianao dia Ianao irery ihany no Andriamanitry ny fanjakana rehetra ambonin’ ny tany, fa Hianao no nanao ny lanitra sy ny tany.16 Atongilano ny sofinao, Jehovah ô, ka mihainoa; ahirato ny masonao, Jehovah ô, ka mijere, ary mandrenesa ny tenin’ i Sankeriba, izay nampitondrainy hihaika an’ Andriamanitra velona.17 Jehovah ô, marina ihany tokoa fa ireo mpanjakan’ i Asyria dia efa nandrava ny jentilisa sy ny taniny18 ary efa nanary ny andriamaniny tao anaty afo, satria tsy Andriamanitra ireny, fa asan’ ny tànan’ olona ihany, dia hazo sy vato; ka dia azony nosimbana.19 Koa ankehitriny, Jehovah Andriamanitray ô, mitaraina aminao aho, vonjeo izahay amin’ ny tànany, mba hahafantaran’ ny fanjakana rehetra ambonin’ ny tany fa Ianao dia Ianao irery ihany, Jehovah ô, no Andriamanitra.20 Ary Isaia, zanak’ i Amoza, dia naniraka hankany amin’ i Hezekia, nanao hoe: Izao no lazain’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Ilay fitarainana nataonao tamiko ny amin’ i Sankeriba, mpanjakan’ i Asyria, dia efa nohenoiko.
2 MPANJAKA 19 :14-20

                                                                                                        ANDRIAMANITRA  MAMELONA NY MPANOMPONY

1-Mampiorina ny finoan’ny mpanompony  ny Tompo

Manatona sy manakaiky  ny mpanompony  Andriamanitra  sady miara-monina Aminy . Ao an-tranon’ Andriamanitra  no velarin’i Hezekia  eo anatrehany   ny taratasin’i Sankeriba   Asyriana  fahavalo  (and14). Miasa  ary mijery  sy mihaino  ny  Tompo  (and 14 , 16) .Manongilan-tsofina mihaino  sy  mijery  ary mahita  ny zava-mihatra  amin’ny  fireneny  sy ny vahoakany  manontolo  Izy .

2-Mihaino sy mamonjy  ny  mpanompony  ny  Tompo

Omen’ny  Tompo  hery  ny mpanjaka  Hezekia hanatona Azy  ao an-tranony  , hamelatra  eo anatrehany ny fihantsiana ady  ataon’ny  fahavalon’Israely  sy ny  olana mianjady  aminy  sy ny fireneny  . Manatona  sy  mivavaka  amin’ny fitarainana  ary mametraka  ny  adiny  amin’i Jehovah   ao an-tranony ny  mpanjaka   . Maniraka   ny  mpaminany   Isaia  i  Jehovah   hanambara  amin’i Hezekia  mpanjaka  fa efa nohenoiny  ny vavaka  nataony  (and 20). Aza mahafoy  ny fihaonana  amin’ny Tompo  ao an-tranony.

Fanontaniana :

Ahoana  no fampiharanao  ny hoe : tranon’i Jehovah, toerana ihainoan’ny  Tompo  ny mpanompony   sy  ny vahoakany ?

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra. Amen !