MOFON’AINA ALATSINAINY 17 SEPTAMBRA 2018

36 Ary rehefa nampody ny vahoaka Jesoa, dia niditra tao an-trano Izy, ary ny mpianany nankao aminy ka nanao hoe: Lazao aminay ny hevitry ny fanoharana ny amin’ ny tsimparifary tany an-tanimbary.37 Ary namaly Izy ka nanao hoe: Ny mpamafy ny voa tsara dia ny Zanak’ olona;38 ny tanimbary dia izao tontolo izao; ny voa tsara dia ny zanaky ny fanjakana; ny tsimparifary dia ny zanak’ ilay ratsy;39 ny fahavalo izay namafy izany dia ny devoly; ny fararano dia ny fahataperan’ izao tontolo izao; ary ny mpijinja dia anjely.40 Koa tahaka ny anangonana ny tsimparifary sy andoroana azy amin’ ny afo, dia toy izany no hatao amin’ ny fahataperan’ izao tontolo izao.41 Ny Zanak’ olona haniraka ny anjeliny, ary ireny dia hanangona ka hamoaka amin’ ny fanjakany ny zavatra mahatafintohina rehetra mbamin’ izay manao meloka,42 dia hanipy azy any amin’ ny fandoroana lehibe mirehitra afo izy; any no hisy ny fitomaniana sy ny fikitroha-nify.43 Ary amin’ izany ny marina dia hamirapiratra tahaka ny masoandro any amin’ ny fanjakan’ ny Rainy. Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino.
MATIO 13 :36-43

MISY FARANY NY ZAVATRA ATAO REHETRA

 Ambarany amintsika anio fa:

1-Miara-monina ny  olona rehetra eto an-tany 

Na iza na iza olona , na inona na inona mombamomba  azy , izany  hoe: ny  toe-pony , toe-panahiny na mivavaka izy na tsia na ahoana mety ho toetrany dia hita  mifanerasera eto ambonin’ny tany  eto  avokoa.Nahoana no fanoharana  momba ny tsiparifary  no nanehoana ity fanoharana ity  fa tsy natao  hoe: momba ny voa tsara na hafa? Satria tena zavatra  misy  ety  ambonin’ny tany  no zavatra voalaza ato. Tokony hiomanantsika, tsy  tokony  atao  mahakivy sy mahavery fanantenana ny fisian’ny zava-dratsy eto ambonin’ny tany  fa izany  no ety. I Jesoa  izao  raha mivavaka ho an’ny  mpianany (ny  mpanara-dia Azy ao  amin’ny  Jao 17 :15) dia nivavaka ,tsy  ny hampiala  azy  eto  amin’izao  tontolo  izao  akory  fa ny  hiaro  azy  amin ‘ ny ratsy kosa. Na izany  aza,

2-Hiavaka ny olon’ Andriamanitra

Voalazan’ny and 41-43 fa na dia niara-niaina teto ambonin’ny tany  ihany aza ny tsara sy ny ratsy dia tsy hitovy velively akory izay havalin’ Andriamanitra azy rehefa tonga ny farany. Ny ratsy izay noharina tamin’ny tsiparifary dia hangonina  ho any amin’ny afobe fa ny marina kosa ,oharina amin’ny voa tsara  dia hamirapiratra toy ny famirapiratry ny masoandro any amin’ny fanjakan’ny Ray. (Jereo Dan 12 :3). Koa aza ketraka amin’ny fanarahan-dia ny Tompo fa hisy valiny lehibe ho anao izany any am-parany satria izao no voalaza hoe: tsy foana tsy akory ny fikelezanareo aina ao amin’ny Tompo .

Fanontaniana:

Ahoana ny ataonao raha mahita ny fiadanan’ny ratsy fanahy ianao?

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra. Amen !