Mofon’aina – Alatsinainy 18 janoary 2016

Dia hoy indray Jesoa taminy: Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Izaho no vavahadin’ ondry.8 Mpangalatra sy jiolahy izay rehetra tonga talohako; fa tsy nihaino azy ny ondry.9 Izaho no vavahady; raha Izaho no hidiran’ ny olona, dia hovonjena izy ka hiditra sy hivoaka sady hahazo hanina.10 Ny mpangalatra tsy avy raha tsy hangalatra sy hamono ary handringana; Izaho avy mba hananany fiainana, sady hananany be dia be.11 Izaho no Mpiandry Tsara; ny Mpiandry Tsara manolotra ny ainy hamonjy ny ondry.12 Ary ny mpikarama, satria tsy mpiandry na tompon’ ny ondry izy, koa raha mahita ny amboadia [lopa] avy, dia mandao ny ondry ka mandositra, ary ny amboadia [lopa]misambotra ny ondry ka mampihahaka azy;13 mandositra izy, satria mpikarama ka tsy mitandrina ny ondry.14 Izaho no Mpiandry Tsara; ary fantatro ny Ahy, sady fantany Aho,15 dia tahaka ny ahafantaran’ ny Ray Ahy sy ny ahafantarako ny Ray; ary Izaho manolotra ny aiko hamonjy ny ondry.16 Manana ondry hafa izay tsy amin’ ity vala ity Aho; ary ireny koa dia tsy maintsy ho entiko ka hihaino ny feoko; ary ho tonga andiany iray izy, sady iray ihany ny Mpiandry.17 Ary izany no itiavan’ ny Raiko Ahy, satria Izaho manolotra ny aiko mba handraisako azy indray.18 Tsy misy manaisotra ny aiko amiko, fa ny tenako ihany no manolotra azy. Manana fahefana hanolotra azy Aho, ary manana fahefana haka azy indray. Izany didy izany dia azoko tamin’ ny Raiko.
JAONA 10 :7-18

TONGA HITONDRA FIAINANA HO ANTSIKA NY TOMPO

1-Miavaka amin’ny mpiandry ondry mahazatra Izy

« Izaho avy hananany fiainana … » Manavaka ny tenany ho hafa izay milaza ny tenany ho Mpiandry ondry i Jesoa. Misy tokoa ny mpiandry ondry mpikarama. Koa tokony hitandrina sy ho mailo ny vahoaka satria maro ny miseho ho mpiandry ondry kanefa tsy izy fa mpitady tombotsoa. Fiainana hosoka sy mairatra vetivety ihany no atolotr’ireny, fa Izaho avy hananany fiainana , hoy i Jesoa . Tsy ny fikarohantsika vola aman-karena, andro amana alina, tsy ahalalana andro alahady akory no hananantsika fiainana fa ao amin ’i Jesoa tonga hanome fiainana feno ho antsika, dieny ety an-tany, sady hitohy rahatrizay . Izy hatonina sy arahina ary ny feony henoina.

2-Tonga hanolotra fiainana amin’ny lafiny rehetra

« Izaho avy hananany fiainana sady hananany be dia be ». Manana hevitra samihafa , izany hoe fiainana be dia be izany . Fahavelomaba tsy misy fetra ary fiainana amin’ny lafiny rehetra sady maharitra. Koa tsy fiainana ara-panahy ihany no omen’ny Tompo fa fiainana eo amin’ny sehatra rehetra. Aza adinoina fa tonga nofo ary tonga olombelona toa antsika i Jesoa Kristy. Fantany ny hanoananan, ny tsy fisiana, ny olana ara-piaraha-monina. Na izy aza onena ny olona nampahantraina (Matio 9.36) ary nitaona ny mpianany Izy nanao hoe : « Omeonareo hanina izy ». Noporofoiny fa tonga Izy hanome fiainana , sady hananany be dia be .

Fanontaniana :

Ahoana ny fahazoanao ny hoe : « fiainana mandrakizay »?

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.Amen !