Mofon’aina – ALATSINAINY 18 JIONA 2018

1 Ary tamin’ izany andro izany dia narary saiky maty Hezekia; ary Isaia mpaminany zanak’ i Amoza, nankao aminy ka nilaza taminy hoe: Izao no lazain’ i Jehovah: Hafaro ny ankohonanao, fa ho faty hianao, fa tsy ho velona.2 Dia nitodika nankany amin’ ny rindrina Hezekia ka nivavaka tamin’ i Jehovah3 hoe: Jehovah ô, enga anie ka hotsarovanao ny nandehanako teo anatrehanao tamin’ ny fahamarinana sy tamin’ ny foko rehetra ary ny nanaovako izay tsara eo imasonao Dia nitomany mafy dia mafy izy.4 Dia tonga tamin’ Isaia ny tenin’ i Jehovah nanao hoe:5 Mandehana, ka lazao amin’ i Hezekia hoe: Izao no lazain’ i Jehovah, Andriamanitr’ i Davida rainao: Efa nohenoiko ny fitarainanao, ary efa hitako ny ranomasonao; indro, hampiako dimy ambin’ ny folo taona ny andronao,6 sady hamonjy anao sy ity tanàna ity amin’ ny tanan’ ny mpanjakan’ i Asyria Aho; ary hiaro ity tanàna ity Aho.7 Ary izao no ho famantarana ho anao avy amin’ i Jehovah, hahalalanao fa Jehovah hanao izay zavatra nolazainy:8 Indro, hampiverina ny aloka hàdiny folo Aho araka ny nampidinan’ ny masoandro azy teo amin’ ny dialin’ i Ahaza. Ka dia niverina hàdiny folo ny masoandro, dia ilay efa nidinany. 9 Ny teny nosoratan’ i Hezekia, mpanjakan’ ny Joda, raha narary izy ka sitrana tamin’ ny aretiny
ISAIA 38 : 1 -9

NY VALIM-BAVAKA

Isan’ireo mpanjaka teo amin’ny Zanak’i Israely nihaino sy nankatoa ny Tenin’Andriamanitra i Hezekia mpanjaka. Antony iray nahatonga an’Andriamanitra namaly vavaka azy izany. Tsy ho azy irery anefa izany soa avy amin’Andriamanitra izany fa ho an’ny tany iadidiany koa. Mamaly vavaka Andriamanitra raha :

1 – Manao ny sitrapony ny olona

Ady hevitra eo amin’ny kristiana matetika ny hoe: aiza izay valim-bavaka azo nefa efa tena nangataka aho. Tsara atao an-tsaina anefa fa Andriamanitra dia tsy miasa ho an’ny olona iray fotsiny na sehatra iray ihany fa ho an’izao tontolo izao mihitsy. Ny olona no tsy mahita afa-tsy ny tenany. Ankoatra izany, ny olona rehefa miabo ny zavatra azony vao lazainy hoe: mivaly ny vavaka nataony, kanefa tsarovy fa efa valiny daholo na miiba aza no azo. Ny fananana toe-po sy fahavononana hanao ny sitrapon’Andriamanitra koa dia hahafahana manantena valim-bavaka.

2 – Mitomany eo anatrehany ny olona

Mitomany ny olona, amin’ny ankapobeny, rehefa misy zavatra mafy manjo azy. Ny lehilahy kosa anefa dia tsy mpitomanimany fotsiny amin’izao koa inona loatra àry no tena anton’ny ranomason’i Hezekia eto ? Nivavaka teo anatrehan’Andriamanitra izy tamin’ny fo feno fanetren-tena ary lasa ho azy ny ranomasony, tsy fanahy iniana mihitsy. Mandeha ho azy izany fa tsy amboarina velively, ny fo enti-mivavaka marina no zava-dehibe.

Fanontaniana :

Efa nahazo valim-bavaka tamin’ny Tompo ve ianao ?

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra. Amen !