MOFON’AINA ALATSINAINY 18 MAY 2020

1 Tao amiko ny tànan’i Jehovah, ary ny Fanahy no nitondran’i Jehovah ahy nivoaka, dia napetrany teo amin’ny lohasaha feno taolana aho. 2 Ary nitondra ahy nandehandeha teny amin’ireo Izy; ary, indreo, betsaka dia betsaka teny amin’ny lohasaha ireo, ary, indreo, maina dia maina Ireo. 3 Ary hoy Jebovah tamiko: Ry zanak’olona, moa mety ho velona ihany va ireto taolana ireto? Ary hoy izaho: Jehovah Tompo ô, Hianao no mahalala. 4 Dia hoy indray Izy tamiko: Maminania amin’ireto taolana ireto, ka ataovy aminy hoe: Ry taola-maina, mihainoa ny tenin’i Jehovah! 5 Izao no lazain’i Jehovah Tompo amin’ireto taolana ireto: Indro, hasiako fofonaina ianareo ka ho velona; 6 ary hasiako ozatra ianareo ka hampaniriko nofo; ary hosaronako hoditra ianareo; ary hasiako fofonaina ianareo ka ho velona; ka dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah. 7 Dia naminany aho araka izay efa nandidiana ahy, ary nony efa naminany aho. dia injany! nisy feo, ary, indreo, nihetsiketsika sady nifanatonatona ny taolana, samy nanatona ny taolana namany avy. 8 Ary hitako fa, indro, naniry ny ozatra sy ny nofo, ary nisarona hoditra izy, nefa tsy mbola nisy fofonaina tao aminy. 9 Dia hoy Izy tamiko: Maminania amin’ny fofonaina, eny, maminania. ry zanak’olona, ka ataovy amin’ny fofonaina hoe: Izao no lazain’i Jehovah Tompo: Manatona avy amin’ny rivotra efatra, ry fofonaina, ka tsotsofy ireo voavono ireo, mba ho velona izy. 10 Dia naminany araka izay efa nandidiany ahy aho, ka dia nidiran’ny fofonaina ireo ka velona, dia nijoro tamin’ny tongony izy maro be dia maro be tokoa. 11 Dia hoy Izy tamiko: Ry zanak’olona, ireto taolana ireto dia ny taranak’Isiraely rehetra; indreo izy manao hoe: Maina ny taolanay, levona ny fanantenanay, fongotra izahay. 12 Koa maminania, ka ataovy aminy hoe: Izao no lazain’i Jehovah Tompo: Indro, ry oloko, Izaho no hanokatra ny fasanareo, ary hampiakariko avy amin’ny fasanareo ianareo, ka ho entiko ho any amin’ny tanin’ny Isiraely; 13 ka dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah, raha manokatra ny fasanareo Aho, ry oloko, ka mampiakatra anareo hiala amin’ny fasanareo. 14 Ary hataoko ao anatinareo ny Fanahiko, dia ho velona ianareo, ary hamponeniko any amin’ny taninareo ianareo; ka dia ho fantatrareo fa Izaho Jehovah no efa niteny sady nahatanteraka izany, hoy Jehovah.
EZEKIELA 37 : 1-14

NY FANOMPOAN’NY MPAMINANY

Ezekiela mpaminany dia anisan’ireo lasa babo tany Babylona. Nampahery ny vahoaka tany am-pahababoana izy. 22 taona no fe-potoana naminaniany (593-571 tal Jesoa Kristy). Ny hevitry ny anarana hoe Ezekiela rahateo dia maneho indrindra ny asa fanompoana notanterahiny. Ezekiela izay midika hoe:  « Andriamanitra anie HAMPAHERY ». Fotoana tena nilàn’ny Jiosy fampaherezana tokoa mantsy ny fotoan’ny fahababoana. Raha mamaky izao mofonaina izao isika dia ireto manaraka ireto no asa fanompoan’i Ezekiela, izay asa fanompoan’ny mpaminany koa ankehitriny dia ny fiangonana izany

  1. Mandeha amin’izay itondran’ny Fanahin’ny Tompo (and 1,2)

« Tao amiko ny tànan’i Jehovah, ary ny Fanahy no nitondran’i Jehovah ahy nivoaka, dia napetrany teo amin’ny lohasaha feno taolana aho. 2 Ary nitondra ahy nandehandeha teny amin’ireo Izy »

Ambaran’i Ezekiela fa tamin’ny alalan’ny Fanahin’ny Tompo no nitondrany azy. Amin’ny maha-mpaminany azy dia nandeha tamin’izay nitondran’ny Fanahin’ny Tompo azy izy. Eto dia noentina tao amin’ny lohasaha iray izay feno taolana Ezekiela. Ny taola-maina izay maneho indrindra ny Jiosy izay nihevi-tena fa maty noho ny fahababoana. Nasehon’ny Tompo an’i Ezekiela arak’izany ny fiheveran-tenan’ny vahoaka Jiosy rehefa babo tany Babylona izy ireo. Maty toy ny taola-maina. Ny mpaminany eto dia asehon’i Ezekiela fa manaraka sy manaiky ny asan’Andriamanitra izay mitarika sy mitondra azy amin’ny alalan’ny Fanahy Masina. Aseho sahady fa Andriamanitra mitondra sy mitarika ny Fanahy Masina. Mitarika sy mitondra indrindra indrindra ireo mpanompon’Andriamanitra.

Rehefa mamaky ny tantaran’i Ezekiela toa izao isika dia mahatsiaro an’i Jesoa izay feno ny Fanahy Masina ka nandeha araka izay nitarihan’ny Fanahy Masina. Izany dia maneho amintsika fa Mpaminany koa Jesoa. Solon-tenan’Andriamanitra nampahery ny vahoaka Isiraely tamin’ny androny. Amin’ny maha-mpaminany ny fiangonana, dia tsy maintsy manaiky hotarihan’ny Fanahy Masina toa izany koa izy. Mampahomby ny asa fanompoana tanterahin’ny fiangonana ity fitarihana sy fitondran’ny Fanahy Masina ity. Tena voaporofo teo amin’ny tantaran’ny fiangonana izany.

  1. Maminany ny mpaminany (and 3-8)

Ny hoe maminany dia manambara izay asain’Andriamanitra ambara sy lazaina. Tsy mahazo manampy na manaisotra ny hafatra nampitondraina ny mpaminany amin’izany. Eto amin’izao mofonaina izao dia nasain’Andriamanitra namerina tamin’ny taolana izay nolazainy tamin’i Ezekiela Ezekiela. Ny tena mpaminany arak’izany dia mitondra izay hafatra avy amin’ny Tompo, mitondra ny tenin’Andriamanitra. Ilay teny faminaniana izay nampitondraina an’i Ezekiela eto dia namelona indray ilay taolana, tonga afaka nitambatra ilay taolana ary naniry nofo indray. Mahary indray arak’izao ny tenin’Andriamanitra ho entin’ny mpaminany, miara-miasa amin’Andriamanitra mahary indray ny Mpaminany. Ny fahariana izay natao tamin’ny taolana moa dia endriky ny fahariana izay ataon’Andriamanitra amin’ny vahoaka Isiraely izay mihevi-tena ho maty noho ny fahababoana. Ny tenin’Andriamanitra izay nampitondraina ny mpaminany no hahary azy ireo indray. Ka ilay vahoaka izay naparitaky ny Babyloniana dia hakamban’Andriamanitra indray, ary nohariany ho vahoaka vaovao indray fa tsy babo intsony.

Tamin’ny alalan’ny teniny sy ny fampianarany dia be dia be no nahazo fahariana vaovao avy amin’i Jesoa Kristy. Izay tena Andriamanitra teo amin’ny vahoaka Jiosy izay nahary azy ireo indray raha nahatsiaro ho toy ny tsinotsinona izy ireo noho ny fanjanahan-tany Romanina. Mbola mahary amin’ny alalan’ny teny ho entin’ny fiangonana Andriamanitra ankehitriny amin’ireo olona maro izay toa mahatsiaro fa efa tsinotsinona noho ny tranga maro samihafa manahirana eto amin’izao tontolo izao.

  1. Mamelona amin’ny alalan’ny Fanahy Masina Andriamanitra (and 9-14)

Nasaina naminany fanindroany Ezekiela, ary faminaniana izay milaza ny hasarobidin’ny asan’ny Fanahy Masina amin’ny famelomana indray izay efa maty. Rehefa nahazo nofo ilay taolana, nijoro dia nomena ny Fanahy Masina mba hamelona azy. Mampahatsiaro ny fahariana an’i Adama izao mofonaina izao. Fahariana ny olombelona izay nandalo dingana roa. Teo aloha ny dingan’ny famolavolana ho vatana, fa avy eo kosa ny dingan’ny famelomana noho ny fofon’aina mahavelona (Fanahy Masina). Ny mpaminany dia manana adidy mampianatra ny asan’Andriamanitra amin’ny alalan’ny Fanahiny. Tena mitondra fahavelomana indray ny Fanahin’ny Tompo. Koa na iza na iza mandray ny Fanahin’ny Tompo dia mahazo fahariana vaovao izy, velona indray izy. Tsy afaka hahazo fahavelomana ny vahoaka Isiraely raha tsy manaiky handray ny Fanahin’ny Tompo izy.

Jesoa dia tena nanana fiainana sy fahavelomana noho ny asan’ny Fanahy Masina tao Aminy. Sady velona Jesoa no namelona ihany koa. Ary tsy tokony hohadinoina fa noho ny asan’ny Fanahy Masina no nahavelona ny fiangonana voalohany ka nahavitany ny asa fitoriana ny filazantsara. Dia toa izany koa isika, tsy misy na iza na iza afaka hilaza ny tenany ho manam-pahavelomana raha tsy ao aminy Andriamanitra amin’ny alalan’ny Fanahiny.

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.