MOFON’AINA ALATSINAINY 19 DESAMBRA 2022

9Fa mitandrema ianareo, fa hatolotra amin’ny Synedriona sy hokapohina ao amin’ny synagoga ary hitsangana eo anatrehan’ny mpanapaka sy ny mpanjaka noho ny amiko ianareo ho vavolombelona aminy. 10Ary ny firenena rehetra tsy maintsy hitoriana ny filazantsara aloha. 11Koa raha mitondra anareo hatolotra izy, dia aza manahy rahateo izay holazainareo; fa izay teny homena anareo’amin’izany ora izany no holazainareo; fa tsy ianareo no hiteny, fa ny Fanahy Masina. 12Ary ny rahalahy hanolotra ny rahalahiny ho amin’ny fahafatesana, ary ny ray hanolotra ny zanany; ary ny zanaka hitsangana hanohitra ny rainy aman-dreniny ka hahafaty azy. 13Ary ho halan’ny olona rehetra ianareo noho ny anarako: fa izay maharitra hatramin’ny farany no hovonjena.MARKA 13:9-13

NY ZAVATRA HITRANGA ILANA FIOMANANA

Efa niseho avokoa ny ankabeazan’ireo zavatra nambaran’i Jesoa mialoha ny fiavian’ny farany ,toy ny fisian’ny mpamitaka ,ny mpaminany sandoka ,ny filazana ady ,ny horohorontany. Ankoatran’izany dia nambarany fa :

1-Ho avy ny fanenjehana (and 9)

Nolazain’I Jesoa fa tsy maintsy hiharan’ny fanenjehana mafy ny Apostoly ka hatolotra eo anatrehan’ny Synagoga ,hotsaraina eo anatrehan’ny manam-pahefana sy ny mpanjaka noho ny maha- mpianatr’i Jesoa azy ireo mba hijoroany ho vavolombelona manambara an’I Jesoa eo anatrehany .Ny fanenjehana izay hihatra amin’ireo mpianatr’i Jesoa eo anatrehany .Ny fanenjehana izay hihatra amin’ireo mpianatr’i Jesoa dia tsy hahasakana velively ny fielezan’ny Filazantsara .Ny mifanohitra amin’izany aza no hitranga .Fa arakaraka ny hanenjehana sy hifofoana ny ain’ny mpitory Filazantsara no vao mainka mampiely izany .Tsy verivery foana ny ain’ny mpitory Filazantsara ny fisian’ireo maritiora marobe no toy ny zezika mampiroborobo ny fielezan’ny Filazantsara manerantany .

2-Aoka hanana faharetana (and 13)

Izay rehetra manara-dia an’I Jesoa dia ho halan’ny olona rehetra.Hitranga izany fankahalana izany,eny na dia eo anivon’ny ankohonana sy ny fianakaviana aza.Tsy natao hampatahotra akory ny filazan’I Jesoa izany.Fa vao mainka tokony hanana faharetana. Nambarany mantsy fa raha hiatrika fitsarana izy ireo dia tsy tokony hanana fanahiana ny amin’izay teny holazainy,fa ny Fanahy Masina ,Ilay mpisolovava no hanoro izay fomba hiarovan-tena amin’izany.Ary tsy izany ihany fa nanome toky Izy fa amin’ny farany dia hahazo rariny ny mpino . « Fa izay maharitra hatramin’ny farany no hovonjena »(and 13)

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.