12 Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Izay mino Ahy, ny asa ataoko no hataony koa; ary hanao asa lehibe noho izany aza izy, satria Izaho mankany amin’ ny Ray.13 Ary na inona na inona no hangatahinareo amin’ ny anarako, dia hataoko izany, mba hankalazana ny Ray eo amin’ ny Zanaka.14 Raha mangataka zavatra Amiko amin’ ny anarako ianareo, dia hataoko izany.15 Raha tia Ahy ianareo, dia hitandrina ny didiko.16 Ary Izaho hangataka amin’ ny Ray, ary Izy hanome anareo Mpananatra hafa mba ho eo aminareo mandrakizay,17 dia ny Fanahin’ ny fahamarinana, Izay tsy azon’ izao tontolo izao horaisina, satria tsy hitany na fantany; fa ianareo no mahafantatra Azy, satria mitoetra eo aminareo Izy, ary ho ao anatinareo.
JAONA 14 :12-17
NY FANAHY MASINA MITOETRA AO AMIN’NY MINO
1-I Jesoa mankany amin’ny Ray
Vitan’i Jesoa ny asa notanterahiny tety an-tany amin’ny famonjena izao tontolo izao. Miakatra ho any amin’ny Ray any an-danitra i Jesoa. Mifarana hatreo ny maha- olona an’i Jesoa. Miditra any amin’ny voninahiny i Jesoa Kristy. Ampirisihan’i Jesoa Kristy ny mino hangataka zavatra amin’ ny Anarany mba hahavita ny asany (and 13). Andriamanitra ivavahana i Jesoa. Mampirisika ny mpino hivavaka aminy Izy. Manafatra ihany koa i Jesoa hanohizana ny asany. Tsy hita vatana intsony ny Tompo, fa Andriamanitra Fanahy. Tsy eto an-tany intsony araka ny nofo i Jesoa fa ny asany dia tohizan’ny mpianatra sy ny mpino. Asa lehibe no ataon’ny mpino amin’ny fananganana ny Fiangonana sy ny fitoriana ny Filazantsara ary ny fijoroana ho vavolombelona.
2-I Jesoa mangataka amin’ny Ray ny Fanahy Masina
Ho an’ny mpianatra sy ny mpino no hanomezan’i Jesoa ny Fanahy Masina. Antony maro no anaovan’i Jesoa Kristy izany. Mpiaro ny mpino ny Fanahy Masina. Mpanampy ny mpino ny Fanahy Masina amin’ny fahalemeny mety hihatra aminy. Mpampahery ny mpino ny Fanahy Masina amin’ny fizahantoetra sy fitsapana ary ny fahoriana hatrehany. Mpisolovava ny mpino ny Fanahy Masina eo amin’ny fitsarana hihatra aminy. Tsy lavitra antsika ny Tompo fa sady ao anatintsika no eo anilantsika, saingy izao tontolo izao tsy mahita Azy (and 17).
Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra. Amen !