Mofon’aina – ALATSINAINY 19 MARTSA 2018

1 Koa aoka hilaozantsika ny abidim-pianarana ny amin’ i Kristy, fa aoka handroso ho amin’ ny tanteraka isika ka tsy hanao fanorenana indray, dia fibebahana hahafahana amin’ ny asa maty sy finoana an’ Andriamanitra,2 ary fampianarana ny amin’ ny fisasana maro sy ny fametrahan-tanana, ary ny fitsanganan’ ny maty sy ny fitsarana mandrakizay.3 Ary izany no hataontsika, raha avelan’ Andriamanitra.4 Fa izay efa nohazavaina indray mandeha sady efa nanandrana ny fanomezana avy any an-danitra sy efa nandray ny Fanahy Masina5 ary efa nanandrana ny teny tsaran’ Andriamanitra sy ny herin’ ny fiainana ho avy,6 nefa nihemotra, dia tsy azo havaozina indray ho amin’ ny fibebahana, satria manombo ny Zanak’ Andriamanitra indray amin’ ny hazo fijaliana ka manao Azy ho fahamenarana.7 Fa izay tany mifoka ny ranonorana milatsaka aminy matetika ka maniry anana tsara ho an’ ny olona iasana azy dia mahazo fitahiana avy amin’ Andriamanitra;8 fa izay maniry tsilo sy songosongo kosa dia lavina sady akaikin’ ny ozona, ary ny hiafarany dia ny hodorana.9 Nefa, ry malala, na dia miteny izany aza izahay, dia manantena zavatra tsara ny aminareo, dia izay momba ny famonjena.10 Fa Andriamanitra tsy mba tsy marina hanadino ny asanareo sy ny fitiavana izay nasehonareo ho voninahitry ny anarany, raha nanompo ny olona masina ianareo sady mbola manompo ihany.11 Ary mbola irinay ianareo rehetra samy haneho izany fahazotoana izany mba hahazo ny fahatokiana be ny amin’ ny fanantenana hatramin’ ny farany
HEBREO 6 :1-11

MANDROSOA  AO  AMIN’I  KRISTY

1-Mandao  ny abidim-pianarana  ny  amin’i Kristy 

Mampianatra  ny  fiangonana ny Apostoly mba hitombo amin’ny finoana  sy ny  fitondantena  kristiana ka hiala amin’ny adidiam-pianarana  ny amin’i Kristy. Tarihana  hitombo  ao amin’i Kristy  ny  mpino  fa  tsy   ho   mpanao  tsianjery  ny asa famonjen’i Jesoa Kristy. Tanisaina  eto  ny fiandohan’ny fiainana kristiana :ny  fibebahana , ny  batisa , ny  finoana an’ Andriamanitra  , ny fametrahan-tànana , ny  fitsangan’ny maty ary ny fiainana mandrakizay . Fiainan’ny zaza bodo   , hoy  ny Hebreo 5 :13. Rehefa lehibe  kosa izy  dia mahay  manavaka ny tsara  sy ny ratsy  sady manana safidy  sy fanapaha-kevitra.

2-Mandroso  ao amin’i Jesoa Kristy 

Vokatry ny fanazavana  sy fandraisana ny fanomezana  avy any an-danitra  dia ny Fanahy Masina , ny fitomboana ara-panahy  (and 4) . Fiainana  ny fahatsaran’ny Tenin’ Andriamanitra ihany koa. Indray  mandeha   ihany   ny fibebahana, izay  marihana  amin’ny Batisa. Indray mandeha ihany  koa i Jesoa Kristy  no   manaiky   hohomboana  amin’ny hazofijaliana. Ny  fiverenan-dàlana indray  ho   amin’ny fahotana  dia mitovy  amin’ny fitenenan-dratsy  ny Fanahy Masina  (Lio 12 :10) .Miorena  amin’ny fitiavana, dia ny fifanompoana   eo  amin’ny samy mpino. Tohano  ny kristiana sahirana, ka  samy  hanao  izany   tokoa  amin’ny fifaliana (and 11). Mahavokatra tsara  ho an’ny hafa  izay  nandray  ny fitahian’ny Tompo araka ny  voatanisa teo.

Ho an’Andriamanitra irery ny voninahitra. Amen !