Mofon’aina – ALATSINAINY 20 AOGOSITRA 2018

1 Ary Saoly niresaka tamin’ i Jonatana zanany sy tamin’ ny mpanompony rehetra ny amin’ izay hahafaty an’ i Davida. Fa Jonatana, zanak’ i Saoly, kosa tia dia tia an’ i Davida.2 Ary Jonatana nanambara tamin’ i Davida hoe: Saoly raiko mitady hamono anao; koa, masìna hianao, tandremo ny tenanao rahampitso maraina, ary mitoera amin’ izay fitoerana mangingina, ka miere;3 ary izaho hivoaka ka hitsangana eo anilan’ ikaky amin’ ny saha izay misy anao, dia hiresaka aminy ny aminao; koa izay hitako dia hambarako aminao.4 Ary Jonatana nilaza soa an’ i Davida tamin’ i Saoly rainy, ka hoy izy taminy: Aoka ny mpanjaka tsy hanisy ratsy an’ i Davida mpanompony, fa izy tsy nanisy ratsy anao, sady nahasoa anao indrindra ny nataony,5 fa izy efa nanao ny ainy tsy ho zavatra ka namono ny Filistina, ary Jehovah nahavita famonjena lehibe ho an’ ny Isiraely rehetra; hianao nahita izany ka faly; koa nahoana no dia hanota handatsaka rà marina hianao ka hahafaty foana an’ i Davida?6 Ary Saoly nihaino ny tenin’ i Jonatana ka nianiana hoe: Raha velona koa Jehovah, dia tsy hatao maty izy.7 Ary Jonatana niantso an’ i Davida ka nanambara izany rehetra Izany taminy, dia nitondra an’ i Davida ho eo amin’ i Saoly, ka dia nitoetra teo anatrehany tahaka ny teo aloha ihany indray izy.
1 SAMOELA 19 : 1‑7

INONA NY TOKONY HATAO MANOLOANA NY HERISETRA ?

1 – Soroy ara-potoana ny herisetra

Vantany vao fantatr’i Jonatana ny fikasan-drainy hamono an’i Davida dia nitsangana sy nanao hetsika avy hatrany izy ho fisorohana ny herisetra (and. 2‑3). Mila fanapahan-kevitra ara-potoana sy fahasahiana hanao hetsika ara-potoana ny fanakanana ny herisetra mba ho fisorohana ny famonoan’olona.

2 – Ampanjakao ny fitiavana

Fitiavana an’i Davida indrindra no nahatonga an’i Jonatana nanakana an’i Saoly rainy tsy hampiasa herisetra amin’i Davida (and 1b). Hery lehibe ahazoana manohitra ny herisetra ny fitiava-namana. Didy nomen’i Jesoa antsika rahateo izany ka tsy maintsy iainantsika amin’ny teny sy ny atao rehetra ho fisorohana ny herisetra.

3 – Ampihavano izay mety hifandrafy

Nirotsaka ho mpampihavana i Jonatana ka voasoroka sady voatohitra ny herisetra (and. 4‑7). Mpampihavana amin’ny anaran’ny Tompo izay rehetra mety hifandrafy ny Fiangonana mba ho fisorohana ny herisetra. Izany rahateo no maha-zanak’Andriamanitra antsika koa mijoroa ho mpampihavana ho fanoherana ny herisetra (Mat 5 :9).

Fanontaniana :

Afaka manao tahaka an’i Jonatana ve ianao ho fisorohana ny herisetra ?

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra. Amen !