Mofon’aina – Alatsinainy 20 febroary 2017

28 Nebokadnezara niteny ka nanao hoe: Isaorana anie Andriamanitr’ i Sadraka sy Mesaka sy Abednego, Izay naniraka ny anjeliny hamonjy ny mpanompony izay natoky Azy ka nandika ny tenin’ ny mpanjaka ary nanolotra ny tenany tsy hanompo na hivavaka amin’ izay andriamani-kafa, afa-tsy Andriamaniny ihany.29 Ka dia manao lalàna aho fa ny fokom-pirenena sy ny firenena sy ny samy hafa fiteny rehetra izay manao teny tsy mety ny amin’ Andriamanitr’ i Sadraka sy Mesaka sy Abednego dia hotetitetehina, ary hatao trano fivoahana ny tranony; fa tsy misy andriamani-kafa mahavonjy tahaka izao.30 Ary Sadraka sy Mesaka sy Abednego dia nasandratry ny mpanjaka tamin’ i Babylona sy ny fehiny.
DANIELA 3 :28-30

SAHIA MIJORO HO VAVOLOMBELON’NY TOMPONTSIKA

Nialona ny fanandratana an’i Sadraka sy Mesaka ary Abednego ireo Kaldeana . Nampangainy ho tsy nanaja ny Mpanjaka izy ireo (Dan 3.12). Ary dia natsipy tao anaty lafaoro mahamay dia mahamay izy telo lahy, kanefa tsy maty tao satria:

1-Mamonjy amin’ny ady sarotra ny Tompo

Niaiky ny mpanjaka fa tena mahery ny Andriamanitra izay itokian’izy telo mirahalahy . Ny fijoroana ho vavolombelon’ny Tompo dia mety hisedrana zava-tsarotra sy fitsapana mahamay. « Kanefa amin’izany rehetra izany dia manoatra noho ny mpandresy isika amin’ny alalan’Ilay tia antsika » (Rom 8.37). Tanteraka ny teny fikasana hoe : « Raha mandeha mamaky ny afo hianao dia tsy ho may, ary tsy hirehitra aminao ny lelafo, fa Izaho Jehovah Andriamanitrao, dia ny Iray Masin’ Israely, mpamonjy anao » (Isa 43.1-3). Izay miaraka amin’i Jesoa no handresy ny fahafatesana.

2-Izy no Tompon’ny teny farany

Namoaka didy ny mpanjaka mba hanajana ny Andriamanitr’izy telo lahy (and 30). Andriamanitra no manova ny tantara. Izao fiovan-kevitry ny mpanjaka izao dia mampiseho amintsika fa Tompon’ny fahefana rehetra Izy.

Fanontaniana :

Efa vonona ve ianao hijoro ho vavolombelon’ny Tompontsika manoloana ireo finoana hafa ?

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.Amen !