MOFON’AINA ALATSINAINY 20 JONA 2022

6Koa izay tafangona teo dia nanontany Azy hoe: Tompoko, amin’izao va no hampodianao ny fanjakana ho amin’ny Isiraely? 7Fa hoy kosa Izy taminy: Tsy anareo ny hahalala ny andro na ny fotoana izay efa notendren’ny Ray amin’ny fahefany ihany. 8Fa hahazo hery ianareo amin’ny hilatsahan’ny Fanahy Masina aminareo, ary ho vavolombeloko any Jerosalema sy eran’i Jodia sy Samaria ary hatramin’ny faran’ny tany. 9Ary rehefa nilaza izany Jesosy, dia nakarina Izy, raha mbola nijery izy ireo; ary nisy rahona nitondra Azy, ka tsy hitan’ny masony intsony Izy. 10Ary raha mbola nandinika ny lanitra izy ireo tamin’ny nandehanan’i Jesosy, indreo, nisy roa lahy teo anilany niakanjo akanjo fotsy, 11izay nanao hoe: Ry lehilahy Galiliana, nahoana no mijanona eto mijery ny lanitra ianareo? iny Jesosy Izay nampiakarina niala taminareo ho any an-danitra iny dia mbola ho avy tahaka ny nahitanareo Azy niakatra ho any an-danitra.ASAN’NY APOSTOLY 1:6-11

Hitantsika eto amin’ity Perikopantsika anio ity ny dinidinika nifanaovan’i Jesoa tamin’ny mpianany mialohan’ ny hiakarany any an-danitra .

1- Hahazo hery izay omeny ny Fanahy Masina

Ny hery izay ambara eto dia manana dika mihoatra izay efa hain’ny olona ka entiny milaza tanjaka na traikefa. Satria ny hevitra fonosin’ny hoe: hery eto dia aseho amin’ny hetsika na asa. Izay hery manokana omen’ny Fanahy Masina mantsy dia hery sy fahefana handroaka fanahy ratsy, hosotra hanasitrana ny marary. Mirotsaka an-tsehatra ny Fanahy Masina amin’ny asa ataon’izay mandray Azy.

2- Ho vavolombelona izay mandray ny Fanahy Masina

Fantatsika fa tsy hoe : manome hery ihany ny Fanahy Masina fa mampitombo koa ny fahombiazana amin’ireo fijoroana ho vavolombelona: « Fa hahazo hery ianareo hilatsahan’ny Fanahy Masina aminareo, ary ho vavolombeloko… hatramin’ny faran’ny tany« (Asa 1.8). Izay velona araka ny Fanahy mantsy dia mahatsiaro ny fahotany satria hazavain’ny Fanahy Masina ny sainy sy ny fony ka tonga ho amin’ny fihebahana marina ka mahafoy ny làlan-dratsiny ary dia tonga olom-baovao ao amin’i Kristy, araka ny nambaran’i Paoly hoe « tsv izaho intsony no velona, fa Kristy no velona ato anatiko » (Gal 2.20)

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.